2021
Karatra misy ny tantaran’ny Fiangonana
Janoary 2021


Karatra misy ny tantaran’ny Fiangonana

Mianàra momba ny tantaran’ny Famerenana amin’ny laoniny! Hetezo ireo karatra, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.

Sary
cutout cards of Emma and Joseph Smith

Emma Hale Smith

“Hanao zavatra mahatalanjona isika.”

Minutes of the Female Relief Society of Nauvoo, 17 mar. 1842.

  • Nanambady an’i Joseph Smith i Emma, ary niaraka tamin’i Joseph naka ireo takelaka teny amin’ny Havoan’i Komôrà.

  • Rehefa nandika ireo takelaka i Joseph dia izy no olona voalohany nanampy tamin’ny fanoratana ireo teny.

  • Nantsoin’ Andriamanitra izy hanao boky fihirana ho an’ny Fiangonana.

  • Izy no Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany.

Joseph Smith

“Nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra ary tsy afaka mandà izany aho.”

Joseph Smith—Tantara 1:25

  • Fony 14 taona i Joseph dia nivavaka mba hahafantatra hoe inona no fiangonana marina. Niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa.

  • Nanampy namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izy.

  • Nandika ireo takela-bolamena izy mba hahafahantsika mamaky ny Bokin’i Môrmôna ankehitriny.

  • Nomen’ Andriamanitra fanambarana (hafatra) izy. Voasoratra ao amin’ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana izany.

1804–1879

1805–1844

Sary nataon’ i Brooke Smart

Hamoaka printy