2021
Izy no Stella avy any Ghana
Janoary 2021


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Izy no Stella avy any Ghana

Mifankafantara amin’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa toa an’i Jesoa.

Sary
brother and sister reading scriptures together

Ny mombamomba an’i Stella rehetra

Taona: 11

Fiaviana: Ghana

Fiteny: anglisy sy twi

Fianakaviana: Neny, Dada, sy i Yaw anadahiny

Tanjona sy nofinofy: 1) hanompo amin’ny fotoana feno toa an-dreniny. 2) Manambady any amin’ny tempoly. 3) Mpamorona lamaody

I Stella mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny anadahiny.

Ireo asa fanomezan-tananana ataon’i Stella

Isan’andro vaky izao ianao dia mahita an’i Stella sy ny fianakaviany mamangy ilay ramatoa tompon-tranon’izy ireo izay mipetraka ao amin’ ilay trano lehibe misy ny trano ofain’izy ireo. Tsy mpihavana izy ireo kanefa “Bebe Cecilia” no iantsoan’i Stella sy ny anadahiny azy. Hoy i Stella: “83 taona izy ary tsy niteraka.” Tsikarik’i Stella sy ny fianakaviany fa nila fanampiana izy ary nanapa-kevitra izy ireo ny handray azy ho havana.

Manome tanana (manampy) foana i Stella amin’ny alalan’ny famafana sy fanasana ny gorodon’i Bebe Cecilia. Manan-danja amin’ny fahasalamana ny trano madio. Noho izany dia manao zavatra izay tena manampy an’i Bebe Cecilia i Stella. “Nanompo ny hafa i Jesoa Kristy” hoy i Stella, “dia izany no nitaona ahy hanompo azy. Fantatro fa faly i Jesoa Kristy sy ny Rainy rehefa manompo aho.”

Ireo zavatra tian’i Stella indrindra

Toerana: ny Tempolin’i Accra Ghana (“Toy ny lanitra eto an-tany.”)

Tantara momba an’i Jesoa: “Rehefa Izy nanome sakafo olona maro be tamin’ny alalan’ny trondro roa sy mofo dimy.”

Hiran’ny Kilonga: “Voantso hanompo” sy ny “Vavaky ny ankizy” (“Manome hery ahy mba hitia sy hanompo ireo.”)

Sakafo: fufu (akondro manta sy mangahazo potsehina) miaraka amin’ny saosisaosy sy henan’osy.

Loko: mavo

Taranja any an-tsekoly: famoronana zava-kanto

Hamoaka printy