HIRA
Ny Mpiandry ahy
Amim-pandinihana [naoty mainty] = 48–55
1. Fahiny tany Galilia
no niantsoan’i Kristy
ireo mpanarato
handao ny haratony.
Toa ‘reo mpino tany aloha
‘zaho hanaraka Azy koa,
fa Jesoa dia miantso ahy.
2. Jeso dia nanoro hatrany
hoe ampio ireo marary,
tiavo sy ampio
‘reo ory anio.
Hankahery ireo kivy aho
sy ‘reo osa mitalaho,
hitia sy hanao tsara fanahy.
[Fiverenan-kira] Koa harana-dia ny Mpamonjy aho.
Ary hihaino ‘lay feony miantso ahy.
Ka hataoko izay inoako.
Koa raha lao ‘ty foko, Izy eo foana hitrotro.
Izy no Mpiandry ahy ary ondriny aho.