2021
Ilay fety nampisy olana
Janoary 2021


Ilay fety nampisy olana

Monina any Corrientes, Argentine ny mpanoratra.

Te handeha amin’ilay fety i Luz amin’ny lafiny iray. Saingy mbola nisalasala izy.

“Handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia … hanontany Ahy ianao raha marina izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8).Any Corrientes, Argentine ity tantara ity no miseho.

Sary
girl talking with her parents on couch

Nahatsiaro ho faly i Luz. Eo am-pifaranana ny taom-pianarana ary zavatra mahafinaritra be dia be no nitranga. Tsy ho ela dia hifindra kilasy faha-fito izy. Amin’ny taonao ho avy io izy dia any amin’ny ambaratonga faharoa!

Gaga izy fa efa lehibe sahady. Lava kokoa izy ary tsy ankizy kely intsony. Nahafinaritra azy ireo fiovana ireo saingy somary nitaintaina ihany koa izy.

Nanapa-kevitra ny hiresaka momba izany tamin’ireo ray aman-dreniny izy.

“Fotoana mahafinaritra eo amin’ny fiainanao izao ry Luz,” hoy i Dada. “Izao no fotoana hianaranao, sy hanaovanao izay tsara indrindra vitanao ary hanatraranao ireo tanjona izay hanampy anao ho tonga ilay olona fantatr’ Andriamanitra fa azonao hahatongavana.”

“Saingy mandeha tsikelikely ny fiainana,” hoy i Neny. “Hihalehibe ianao ary ho lasa izany olona izany amin’ny alalan’ny safidy tsara sy bitika ataonao tsikelikely.”

Nanampy an’i Luz tsy hitaintaina firy izany. Faly izy fa tsy voatery tonga dia hihalehibe avy hatrany izy.

Indray andro tany an-tsekoly dia nolazain’ireo naman’i Luz fa hisy fety amin’ny fizarana diplaoma. Faly erỳ izy ireo. Hisy sakafo hariva, mozika, jiro, ary dihy mihitsy!

Saingy raha nihaino ireo namany niresaka momba ilay fety i Luz dia nanomboka nahatsapa ho tsy nahazo aina. Toa tsy karazana fety izay hahafahana mahatsapana ny Fanahy Masina izany raha fihaino ilay izy.

“Ho avy moa ianao, sa tsy izany ry Luz?” hoy ny namany iray nanontany.

Tsy maintsy mandeha ianao!” hoy ny namana iray hafa. “Hilazako ny ray aman-dreniko hiresaka amin’ireo ray aman-dreninao. Dia havelan’izy ireo handeha ianao.”

“Angamba.” Nangotiky ny fitaintainana ny kibon’i Luz. “I … ilazako ianareo.”

Lany tamin’ny fieritreretana momba ilay fety ny faran’ny herinandron’i Luz. Nieritreritra izany izy nandritra ny fizarany mitendry piano. Nieritreritra izany izy rehefa nilalao niaraka tamin’ny zandriny lahy kely. Na inona na inona nataony dia nibahana tao an-tsainy izany.

Te-handeha amin’ilay fety izy amin’ny lafiny iray. Saingy mbola nisalasala izy. Tsy mety lasa mihitsy ilay fahatsapana fitaintainana tao amin’ny kibony.

“Manana OLANA angaha ianao hija(zanakovavy)?” Hoy i Neny nanontany indray Alahady tolakandro. Noraotiny tamin’ny tananany ny volo mainty lava an’i Luz.

“Hitanao …,” hoy i Luz.

“Mbola any amin’ilay fety foana angaha ny eritreritrao?”

“Tsy haiko izay hatao,” hoy i Luz. “Te-handeha aho. Saingy tsy hanana fahatsapana tsara aho any.”

Nitsiky i Neny. “Fantatro fa hanao safidy tsara ianao,” hoy izy. “Saintsaino ilay izy, manaova safidy, ary lazao ny Ray any An-danitra ny fanapahan-kevitrao. Hampiany ianao hahafantatra raha marina izany. Ho tsapanao ao am-ponao izany.”

Nanetsika ny lohany ho fanekeny izany i Luz. Nisento lalina izy ary nandeha tany an’efitranony mba hivavaka.

“Ray any An-danitra ô,” hoy i Luz nibitsibitsika. “Nanasa ahy hamonjy fety ireo namako kanefa aho tsy manana fahatsapana tsara momba izany. Holazaiko azy ireo hoe tsy ho afaka aho. Izany ve no zavatra tsara tokony hatao?”

Nisy fahatsapana hafanana lehibe tonga tamin’i Luz. Tsy sahiran-tsaina intsony izy. Tsapany ho toa feno hazavana izany tao aminy! Fantany fa nanao safidy tsara izy.

Rehefa nivoaka ny efitranony i Luz dia nofihininy mafy i Neny.

“Nanapa-kevitra ny tsy handeha aho,” hoy i Luz taminy.

“Mahafaly ahy ny fanapahan-kevitrao,” hoy i Neny.

Nofihinin’i Dada ihany koa i Luz. “Mahita hevitra aho,” hoy izy. “Andao isika hanao fety fankalazana fizarana diplaoma ho antsika manokana. Afaka mihinana glasy sady miara-mifety ny mpianakavy!”

Nitsiky i Luz. Tia glasy izy. Sady tiany koa ny mahafantatra fa afaka nanao ny tsara izy na dia nananosarotra aza izany. Tamin’ireo safidy kely tsara rehetra nataony dia afaka nihalehibe ho lasa ilay olona fantatr’ Andriamanitra fa hahatongavany izy.

Sary
Friend Magazine, 2021/01-02 Jan/Feb

Sary nataon’i Tammie Lyon

Hamoaka printy