2021
Ry namana malala
Janoary 2021


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ry ankizy namana malalanay,

Sary
Primary children in Ghana holding up Friend magazines

Amin’ity volana ity ny Namana dia mankalaza ny faha-50 taonany—sy ny fiantombohana vaovao. Taloha dia ireo ankizy miteny anglisy ihany no nahazo ny Namana . Ankehitriny kosa ireo ankizy dia hahazo izany amin’ny fiteny 48 ampiasaina manerana izao tontolo izao. Ny fanantenanay dia ny hahafahan’ny ankizy rehetra ao amin’ny Kilonga hankafy ny Namana any an-tokantranon’izy ireo sy hizara izany amin’ny hafa.

Manerana izao tontolo izao, ireo ankizy ao amin’ny Kilonga toa anareo dia miezaka manaraka an’i Jesoa. Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ny tsirairay. Eo am-pamakinareo ny Namana, dia lasa mifankafantatra amin’ireo namana ireo ianareo. Hianatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ianareo. Ary ianareo dia hahatsapa ho akaiky kokoa ilay tena Namanareo, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Amim-pitiavana,

Ny Fiadidiana Voalohany

Fikarohana sainam-pirenena

Tadiavo ireo pejy mifandray amin’ireto firenena samihafa ireto. Avy eo dia mariho, rehefa hita, ireo sainam-pirenena etsy ambany!

  • Ghana

  • Kôre Atsimo

  • Kanadà

  • Espagne

  • Alemana

  • Bénin

  • Argentine

  • Mekisika

Ireo toerana mamaky ny Namana

Ireto ankizy avy any Ghana ireto dia mihazona ambony ny tahadikan’ny Namana. Alefaso aty aminay ny sarinao na ireo mpianatra ao amin’ny kilasin’ny Kilonga ampianarinao mihazona ny Namana. Alaivo antoka ny mampiaraka izany amin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny iray amin’ny ray aman-dreny (jereo ny fonon’ny boky any amin’ny farany).

Sary nataon’ny Adobestock.com

Hamoaka printy