2021
Afaka manampy toa an’i Jesoa ianao!
Janoary 2021


Fanasana handray anjara amin’ny Manome Tanana

Afaka manampy toa an’i Jesoa ianao!

Sary
Jesus with children

Fony i Jesoa teto an-tany dia nanampy izay olon-drehetra hitany Izy. Nanome sakafo ireo noana Izy. Nampionona ireo malahelo Izy. Nampianary ny olon-drehetra ny filazantsarany. Nanasa antsika hanaraka Azy i Jesoa. Rehefa atao batisa isika dia mampanantena ny hiezaka ny hanao izay nataony.

Ankehitriny dia olona maro be manerana izao tontolo izao no mila ny fanampiantsika. Ny sasany dia manirery. Ny sasany dia noana. Ny sasany dia voatery nandao ny tokantranony. Ny sasany dia tsy mbola nahare ny filazantsara. Isika tsirairay avy dia afaka manao zavatra entina manampy.

Ny zavatra azonao atao entina Manome Tanana

Afaka manampy izao tontolo izao ny ankizy amin’ny alalan’ny fon’izy ireo feno fitiavana sy ny tananan’izy ireo afaka manampy. Manodidina ny 100 taona lasa izay dia nanampy nanangana hôpitaly iray tany Salt Lake City, Utah, Etazonia ny ankizy tao amin’ny Kilonga. Isan-kerinandro izy ireo dia nitondra vola kely ho an’ilay hôpitaly vaovao. Rehefa nisokatra ilay izy tamin’ny 1992 dia nantsoina hoe-hôpitalin’ny Ankizy ao amin’ny Kilonga. Izany dia noho ireo ankizy nanampy nanangana izany tsikelikely!

Rehefa mijery ny manodidina ianao dia hahita olona maro azonao ampiana. Afaka mizara ny filazantsara amin’ny alalan’ny fomba fiainanao sy ny fanompoanao ny hafa ianao. Afaka manampy azy ireo ianao hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra.

Fanasana mba hanampy

Amin’ity taona ity dia manasa anareo izahay hampiasa ny fo feno fitiavana anananareo sy hampiasa ny tananareo afaka manampy mba hanampiana ny hafa. Ny fahatsapana fifaliana anananareo rehefa manampy ny hafa dia avy amin’ny Fanahy Masina. Mampahafantatra anareo izany fa ny Ray any An-danitra dia tena faly amin’ireo ezaka ataonareo.

Sary
pictures of children helping

Sary nataon’i Liz Brizzi

Hamoaka printy