2021
Taxi iray fotsiny
Janoary 2021


Taxi iray fotsiny

Mipetraka any Caroline du Nord ao Etazonia ny mpanoratra.

“Ampio izahay hahita taxi iray fotsiny mba hahatongavanay any am-piangonana anio,” hoy ireo ankizivavy nivavaka.

“Faly foana aho rehefa mankany am-piangonana” (Children’s Songbook, 157).

Any Cantabria, Espagne ity tantara ity no miseho.

Sary
two girls holding umbrella

“Ahoana no hahatongavantsika any am-piangonana anio?” Hoy i Peppa, zandrivavin’i Ellie, nanontany. “Avy be ny orana!”

“Aza matahotra!” hoy i Ellie. “Olona matanja-tsaina isika!”

Nampian’i Ellie i Peppa hanidy ny bokotry ny akanjony aro orana. Avy eo dia natsofony ny kirarony fentina amin’ny orana.

Nandeha nivoaka niaraka tamin’i Dada sy i Neny i Ella sy i Peppa. Avy be tsy nisy ohatr’izany ny orana. Navadibadiky ny rivotra ny elon’izy ireo. Tsy dia nahatsapa tena ho matanja-tsaina firy intsony i Ellie.

“Inona no tokony hataontsika?” Hoy i Ellie nanontany. Avy be loatra ny orana raha handeha an-tongotra ho eny amin’ny fiandrasana bus.

“Aleo mandeha taxi,” hoy i Dada.

“Hevitra tsara izany,” hoy i Neny. “Andao ary!”

Lasa ry zareo nandeha tamin’ny arabe feno rano. Tsy nisy taxi na fiara nandalo azy ireo. Na dia ny panadería (pivarotra mofo) aza nidy.

Nony farany dia nahita ny toerana fiantsonan’ny taxi mba hakana olona izy ireo. Saingy tsy nisy na inona na inona teo amin’ilay toerana voalohany fijanonan’ny taxi.

“Andrekaiko ô!” Hoy i Peppa.

Está bien. TSY MANINONA izany,” hoy i Ellie. “Mety misy iray eo. Fa tsy mbola hitantsika fotsiny.”

Nanatona akaiky kokoa izy ireo. Saingy tsy nisy na inona na inona koa teo amin’ilay toerana faharoa fijanonan’ny taxi.

“Dia inona izany izao no hatao?” hoy i Peppa.

“Haiko,” hoy i Ellie. “Andao hivavaka.”

Nibitsibitsika nivavaka izy roa vavy. “Nuestro Padre Celestial, (Rainay any An-danitra ô) ampio izahay hahita taxi iray fotsiny mba hahatongavanay any am-piangonana anio. Miezaka ny misafidy ny tsara izahay amin’izao, kanefa ity orana ity manasarotra izany. En el nombre de Jesucristo, amén.” (Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.) Mbola mianatra miteny espaniola i Ellie hany ka afangarony ny teny anglisy ny teny espaniola.

Mbola nandeha nandroso kelikely ihany izy ireo. Saingy tsy nisy na inona na inona koa teo amin’ilay toerana fahatelo fijanonan’ny taxi.

“Tokony hiverin-dalana hody angamba isika ka,” hoy i Dada niteny mafy mba ho re na dia eo aza ny hamafin’ny rivotra.

“Kotsa ny tongotsika,” hoy i Neny.

“Andao handroso alohaloha kely ihany,” hoy i Ellie. “Mila taxi iray fotsiny isika.”

Hitan’izy ireo amin’izay ilay toerana farany fiantsonan’ny taxi.

Io fa nisy taxi nirehitra jiro maitso.

Nitsambikina niditra tao anatin’ny taxi i Ella sy i Peppa. Nampian’i Neny izy ireo nandamina ny volony. “Miala tsiny izahay fa mandena ny sezanao,” hoy i Dada tamin’ilay mpamily.

Tonga tany am-piangonana izy ireo ary niarahaba ny naman’izy ireo tamin’ny besos sy abrazos (oroka sy famihinana).

“Tsy mampino ahy hoe nahita taxi isika,” hoy i Neny. “¡Que suerte!” (tsara vintana!)

“Tsy vintana izany iny,” hoy i Ellie. “Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra izaho sy i Peppa mba hanampy antsika ho tonga aty am-piangonana. Dia nohainoiny!”

Sary
Friend Magazine, 2021/01-02 Jan/Feb

Sary nataon’i Patricia Geis

Hamoaka printy