2021
Asehoy sy lazao
Janoary 2021


Asehoy sy lazao

Sary
picture of Jesus visiting children

Ity kilasin’ny Kilonga ao Texas, Etazonia ity dia nanamboatra solaitrabe fametahana filazana ahitana an’i Kristy miaraka amin’ny olona rehetra ao amin’ny Kilonga mijoro manodidina Azy. Manampy ny rehetra hahatsapa ho akaiky kokoa Azy izany.

Sary
Primary children in Senegal

Arahaba avy amin’ny Kilongantsika any Dakar, Sénégal!

Sary
A young boy in church clothes stops and smiles for a portrait.

Niara-nanao dia be fitsimponana fako tamin’ny dadako aho ka nahangona fako 322 isa. Faly aho fa nampadio sy nampilamina kokoa ny teo amin’ny manodidina anay mba hahafaly ny olona hafa.

Sam D., 8 taona, Suffolk, Angletera

Sary
A young girl in a white dress sits outside. It looks to be that this is her baptism photo. She has dark long curled hair with a white headband. She is sitting on the edge of a fountain.

Manampy ahy hahatsiaro ireo fanekempihavanana manan-danja nataoko tamin’ny Ray any An-danitra ny batisako. Miezaka ny manaraka ireo didiny sy ho zanakavavy sy mpianatra tsara aho.

Demmi E., 9 taona, Tanànan’i Mekisika, Mekisika

Sary
A young boy in a captain america t-shirt smiles while hiking outside.

Tamin’ny nisy doroala tany Australie dia nifady hanina ho an’ireo biby tra-doza aho. Nivavaka isak’alina izahay ho an’ireo mpamono afo mba harovan’ny Tompo izy ireo. Faly be aho rehefa nolazain’i Neny hoe maty ireo afo. Fantatro fa mihaino antsika ny Ray any An-danitra rehefa mifady hanina sy mivavaka isika.

Lincoln B., 9 taona, Victoria, Australie

Sary
A young girls sits on a couch and smiles as she holds up a triple combination in Spanish.

Manana namana be dia be aho any am-pianarana, dia milalao be izahay. Indray andro izay aho nahita ankizivavy, dia naniry ny ho namany aho. Fantatro fa zavatra tsara izany satria lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.

Tatiana L., 6 taona, Sacatepéquez, Guatemala

Sary
A young primary age boy stands outside next to a brick building for a portrait.

Nilomano niaraka tamin’ny fianakaviako aho dia nahita zazalahy iray sahirana tao anaty rano. Nilomano nankeny aminy aho dia nanampy azy. Hoy ny zokiny lahy tamiko hoe mahery fo hono aho fa nanampy. Avy eo aho dia nahatsapa ny Fanahy Masina.

Christian M., 9 taona, Utah, Etazonia

Sary
drawing of Nephi’s boat

Emma S., 8 taona, Anzoátegui, Venezuela

Sary
two boys holding temple built of blocks; girl with craft

Carson sy Clark S., 6 taona sy 4 taona, Queensland, Australie

Sary
drawing of eagle flying near a mountain

Liam A., 9 taona, Indiana, Etazonia

Anna L., 9 taona, Californie, Etazonia

Sary
drawing of family in front of Church building

Dallin P., 8 taona, Huancavelica, Pérou

Sary
collection of art and quotes from children

Hamoaka printy