2021
Andro voalohany ho an’i Jaechan
Janoary 2021


Andro voalohany ho an’i Jaechan

Ity ve no lalana marina tokony nizorana? Nisavorita-tsaina i Jeachan.

“Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy” (Salamo 34:4).Any Gyeonggi-do, Kôre Atsimo ity tantara ity no miseho.

Sary
boy walking into classroom

Nisy mozika mampifalifaly nandeha raha iny i Jaechan sy i Neny nitsangana avy teo amin’ny toeran’izy ireo tao amin’ny efitranon’ny fanatanjahantena an’ny sekoly iny. Feno fatorana balona mitsingevaeva manerana ireo rindrina raha ny ankizy sy ny ray aman-drenin’izy ireo kosa faly erỳ eo am-piresahana.

Ny ampitson’io no andro voalohany hianarana ary any Kôre Atsimo ireo ankizy vaovao dia manaraka fandaharam-potoana manokana foana ho fankalazana ny fiantombohan’ny taom-pianarana. Nientanentana aok’izany i Jaechan teo am-pihainoana ireo hira sy ireo olona nandray fitenenana. Tsy andriny izay hanombohana hianarana!

Taorian’ilay fotoana dia nidina nanaraka ireo lalantsaran’ny sekoly i Neny sy i Jaechan. Rehefa tonga teo amin’ny efitrano fianarany izy ireo dia nihaona tamin’ny mpamianany i Jaechan. Olona tsara fanahy raha ny fijery azy.

Afaka kelikely i Neny sy i Jaechan dia nivoaka tany ivelany nitanina ny hafanan’ny masoandron’ny lohataona. Na ny masoandro sy ny lanitra aza dia toa faly amin’ny fanombohan’ny taom-pianarana.

Ny ampitso dia naterin’i Neny teo amin’ny vavahadin’ny sekoly i Jaechan. Nofihininy mafy izy. “Tiako ianao,” hoy izy. “Manaova andro voalohany mahafinaritra.”

“Ho atao mahafinaritra mihitsy,” hoy i Jaechan. “Tiako koa ianao!” Nikopa-tanana nanao veloma izy ary nitodi-doha nandeha nankany amin’ny efitrano fianarany, toy ny efa nizaran’izy ireo.

Rehefa iny nandeha nidina ny lalantsara iny i Jaechan dia nanomboka nitaintaina. Ity ve no lalana tokony haleha? Nijanona i Jaechan sady nijery manodidina. Niodina izy dia nandeha tamina lalantsara iray hafa. Vetivety teo dia toa nisafotofoto ny zava-drehetra.

Nisento lalina i Jaechan. Fantany fa teo amin’io lalantsara io izy omaly. Nanohy nandeha izy ary nandalo varavana maro be.

Saingy tsy hitan’i Jaechan ny efitrano fianarany, nisy latabatra fianarana sy namana ary ilay mpamianany tsara fanahy. Hitany ilay efitranon’ny fanatanjahantena. Ary izao dia tsy nahitana olona na balona tao. Efitrano lehibe tsy misy na inona na inona fotsiny no teo.

Rako-dranomaso ny mason’i Jaechan. Niezaka ny ho tony izy kanefa natahotra. Tsy hainy hoe ahoana no hahitana ny efitrano fianarany. Nandohalika nivavaka izy. “Ray any An-dranitra ô, very aho. Ampio re mba ho tonga hitady ahy i Neny dia hanampy ahy ho tonga any amin’ny kilasiko.”

Nitsangana i Jaechan. Nisento lalina indray izy. Avy eo dia niandry.

Minitra vitsy taorian’izay dia tonga teo i Neny. “Jaechan!” Nihazakazaka namonjy azy sy nihazona azy mafy izy. “Inona no nitranga?”

Nigogogo nitomany i Jaechan. Nahatsiaro ho afa-doza erỳ izy nahita an’i Neny. “Tsy hitako ny efitrano fianarako,” hoy izy. “Dia nivavaka aho mba ho tonga hitady ahy ianao.”

Nofafan’i Neny ny ranomaso teny amin’ny takolany. “Faly aho fa nivavaka ianao,” hoy izy. “Teny an-dalana hody aho. Dia avy eo dia nahatsapa hoe tokony hiverina aho ary haka toky fa nahita ny efitrano fianaranao ianao. Rehefa tsy hitako tao ianao, dia nikaroka na taiza na taiza aho. Dia hitako ianao!”

Nohazonin’i Jaechan ny tanan’i Neny rehefa nandeha tamin’ilay lalantsara tokony haleha izy ireo. Tsy nitomany intsony i Jaechan. Fantany fa efa namaly ny vavaka nataony ny Ray any An-danitra. Rehefa tonga teo amin’ ilay efitrano fianarana izy ireo dia henony ireo ankizy hafa tao anatiny nihomehy sy falifaly.

“Jaechan! Faly be izahay mahita anao,” hoy ny mpampianatr’i Jaechan raha izy niditra iny.

“Misaotra,” hoy Jaechan sady niondrika kely izy ho fanehoana fankasitrahana. Nofihininy mafy indray i Neny. Ho mahafinaritra tokoa ny andro voalohany ianarana raha izany.

Sary
Friend Magazine, 2021/01-02 Jan/Feb

Sary nataon’i Shane Clester

Hamoaka printy