2021
Géoffroy Koussemou
Janoary 2021


MPAMAKY LAY any amin’ny tany tsirairay

Géoffroy Koussemou

Misiônera voalohany avy any Bénin

Fantatr’i Géoffroy fa vonona ny hanampy azy Andriamanitra raha manao ny anjarany izy.

Sary
missionary in Benin

Niara-nandia fianarana tamin’i Théodore namany i Géoffroy. Samy 16 taona izy roa lahy ary nipetraka tany Bénin, firenena any Afrika izy ireo. Niditra tamina fianarana vaovao iray izy ireo hianatra momba ny fambolena sy fiompiana. Sambany izy ireo vao hiaina lavitra ny fianakavian’izy ireo. Nila nianatra sady niasa nandritra ora maro izy ireo isan’andro.

Nataon’i Géoffroy teny an-tsorony ny kitapony. “Mety hijanona tsy hianatra intsony aho angamba. Sarotra loatra ireo taranja.”

“Tsia!” Hoy i Théodore. “Aza mijanona tsy mianatra izany. Mila miankina amin’ Andriamanitra ianao. Raha manao izany ianao dia hahomby.”

Nibahana tao an-tsain’i Géoffroy ny tenin’i Théodore nandritra ny andro iray manontolo. Nobeazina tao amina fianakaviana Kristianina i Géoffroy saingy tsy mbola nanandrana niankina tamin’ Andriamanitra mihitsy. Nandohalika tamin’ny tany izy kanefa tsy mbola nanomboka nivavaka ihany. Natahotahotra izy. Kanefa raha tsy nahazo fanampiana izy dia tsy ho afaka ny hifindra kilasy mihitsy. Naondrik’i Géoffroy tsimoramora ny lohany.

“Ray any An-danitra ô,” hoy izy, “mba asehoy ahy re ny fomba hiankinana aminao. Afaka manampy ahy hifindra kilasy ve ianao? Mampanantena anao aho fa hanompo anao faran’izay vitako aho mandritra andro sisa iainako.”

Nanomboka teo dia lasa natsapa tena ho matanja-tsaina kokoa sy nanana fahatapahan-kevitra kokoa i Géoffroy. Mbola sarotra hatrany ireo taranja kanefa fantany fa vonona ny hanampy azy Andriamanitra raha manao ny anjarany izy. Noesorin’i Géoffroy ny tahony ka nianatra mafy izy.

Nahomby tamin’ny fianarana izy. Valo ambiny folo volana taty aoriana dia teo am-piomanana ny hivoaka amin’ny fianarany izy nony farany. Vitany ny fianarany!

Taorian’ny nahavitan’ny fianarany dia nanohy niasa mafy i Géoffroy. Tsy ela dia nanana ny toeram-pamboleny sy fiompiany manokana izy.

Indray andro ary dia nahita ny namany iray izay mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Nomen’ilay namany Bokin’i Môrmôna iray izy. Novakin’i Géoffroy ny Bokin’i Môrmôna dia nivavaka izy. Nahatsapana hafanana sy fiadanana tao anatiny izy ary azony antoka fa marina ny Fiangonana.

Efa fantany sahady ny ho ataony manaraka. Niasa izy, dia nivavaka, ary niankina tamin’ Andriamanitra. Natao batisa izy aloha. Avy eo dia nozarainy tamin’ireo manodidina azy ny fijoroany ho vavolombelona. Natao batisa ihany koa ny sasany tamin’ireo namany. Vetivety dia lasa sampana iray ilay andiana mpikambana vitsy tamin’ny voalohany. Nanampy tamin’ny fampandrosoana ny Fiangonana tany Bénin izy.

Naniry ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno i Géoffroy. Tsy ampy ny volany ka namidiny ny toeram-pamboleny sy fiopiany. Volana vitsy taty aoriana dia naharay ny antsony mba hitory amin’ny fotoana feno tany Côte d’Ivoire izy. Izy no misionera voalohany avy any Bénin naharay antso mba hanompo amin’ny fotoana feno.

Ny filofosany tamin’ny fanaovana ny tsara hatrany dia nanampy azy an-taonany maro. Noho ny finoany sy ny an’ireo mpikambana hafa dia olona maro hafa no vita batisa. Lasa paroasy ny sampana nisy azy. Anisan’ny tsatòka voalohany any Bénin izany paroasy izany amin’izao!

Manohy miasa mafy sy miankina amin’ Andriamanitra hatrany i Géoffroy. Fantany fa afaka ny hisy zava-dehibe-hitranga miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra.

Sary
Friend Magazine, 2021/01-02 Jan/Feb

Sary nataon’i Isabel Muñoz

Hamoaka printy