2021
Tiako ianareo
Janoary 2021


Hafatra avy amin’ny Mpaminany

Tiako ianareo

Nalaina avy tamin’ny “Restoration Conversations with President Russell M. Nelson,” amboarana horonan-tsary, Bibliothèque de l’Evangile.

Sary
President Nelson talking with children

Nitafasiry tamina ankizy ao amin’ny Kilonga tao amin’ny trano iray vita amin’ny vatan-kazo tao New York, Etazonia ny Filoha Nelson. Mitovy amin’ilay trano nipetrahan’i Joseph Smith tamin’izy nahita ilay Fahitana Voalohany izany. Indreto ny sasany tamin’ireo zavatra nozarain’ny Filoha Nelson tamin’ireo ankizy.

Zanak’ Andriamanitra avokoa ny olona rehetra

Tsy maninona hoe taiza ianao no teraka, na firenena avy aiza no iavianao, na inona no fiteninao. Zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra ary samy hivoatra ho tonga toa Azy.

Ezaka sy valisoa

Mitaky ezaka lehibe sy fandalinana be ny maha-mpaminany. Ny zavatra rehetra ka mifandray amin’ny hoe-ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa dia sarotra avokoa. Rehefa naniry ny hanome ireo Didy Folo an’i Mosesy Andriamanitra dia taiza no nasainy nalehan’i Mosesy? Teny an-tampon’ny tendrombohitra Sinay. Noho izany dia tsy maintsy nihanika hatreny an-tampon’izany tendrombohitra izany i Mosesy mba hahazoana ireo Didy Folo. Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka satria ny ezaka dia mitondra valisoa izay tsy azo raha tsy misy ezaka.

Mombamomba ny fianakavian’ny mpaminany

Manan-janaka folo izahay, zanaka vavy tsara tarehy sivy sy zanaka lahy iray. Efa any an-danitra izao ny roa amin’ireo zanakavavinay ireo. Fotoana fohy no naha-teto an-tany azy ireo ary mampahery anay izy ireo any an-danitra any. Voatambatra amin’ny alalan’ny fanambadiana any amin’ny tempoly izahay, izay midika fa hiara-hiaina mandrakizay izahay aorian’ny fotoana fohy niarahanay tety an-tany.

Fomba mitondra ho amin’ny fahasambarana

Toy ny boky mirakitra fomba fahandro ny soratra masina. Raha tsy manana boky misy fomba fahandro ianao ka manomboka mampifangaro fotsiny ny kobam-barim-bazaha amin’ny ronono sy ny atody dia mety tsy hahazo mofomamy. Nomen’ Andriamanitra fomba mitondra ho amin’ny fahasambarana isika, ary izany dia antsoina hoe: ireo didy.

Ny teny hoe: didy dia mety ho toy ny hoe baiko no fandrenesana azy, toy ireny hoe tenenina amin’izay zavatra tokony hataontsika ireny isika. Kanefa lalana manivaka mitondra amin’ny fianarana izany. Ohatra, nandidy antsika Izy tsy hisotro toaka na hifoka sigara sy zava-maha-domelina hafa. Fa nahoana? Mba hahafahanao miaina lava kokoa sy ho faly kokoa. Mihevitra ve ianareo fa ho niaina hatramin’ny faha 95 taona aho raha nifoka sigara sy nisotro toaka? Tsia. Sady faly aho. Sady afaka manao ski miaraka amin’ireo zafikeliko aho.

Zavatra mahafinaritra

Ny fibebahana dia midika fa isan’andro isika dia afaka ny miezaka mafy kokoa ary manao zavatra misimisy kokoa mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy Tompo. Mbola mibebaka foana aho. Isan’andro aho dia miezaka ny hianatra kokoa sy ho tonga ilay olona tian’ny Tompo hahatongavako. Ary tsy fanasaziana izany. Fahafahana mahafalifaly izany. Isan’andro aho dia afaka mifoha malaky avy teo am-pandriana ary miteny hoe: “Oay e, hisy zavatra mahafinaritra hitranga anio! Ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa aho.”

Hamoaka printy