2021
Fotoan’ny tantara ho an’ny mpianakavy
Janoary 2021


Fotoan’ny tantara ho an’ny mpianakavy

Sary
mom telling bedtime story to daughter

Tian’i María ny mianatra mikasika ny fianakaviany!

Isak’alina dia itantaran’i Neny tantaram-pianakaviana iray izy.

Mianatra momba an’i Neny fony izy fony fahakeliny tany Mekisika i María.

Mianatra izy hoe oviana i Dadabe no nifanena tamin’ireo misiônera.

Mianatra momba ny dadaben’i Dadabe izy!

Tsara erỳ ny tantaram-pianakaviana!

Tadiavo!

Mampianatra lesona momba ny tantaram-pianakavian’izy ireo mandritra ny takarivan’ny mpianakavy i María sy ny anadahiny. Mahita bolan-tany, ruban, fihogo, solomaso, penisilihazo, sy fanalahidy ary saka ve ianao?

Sary nataon’i Emma Hazel Latham

Hamoaka printy