2023
Mampifandray
Janoary 2023


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery! Mar. 2023.

Mampifandray

Tojonirina R.

17 taona, Madagasikara

Sary
zatovolahy

Sary nalain’i Valisoa Rakoto

Izaho no Tojonirina avy any Antananarivo, Madagasikara. Tia mihaino mozika mampitony, sy mamaky boky ary milalao baolina basikety sy baolina kitra aho.

Nisafidy ny hatao batisa aho fony aho valo taona. Rehefa naroboka tao anaty rano aho dia nahatsapa fifaliana niavaka izay avy tamin’ny Fanahy. Fotoana fohy taorian’ny batisako dia maty ny reniko. Nalahelo sy kivy ary sorena aho. Tsy tokony hisy zanaka natao hahafantatra izany hoe manao ahoana izany famoizana reny izany.

Telo taona taty aoriana anefa dia nankany amin’ny tempoly izahay ary nofehezina ny fianakavianay. Nitamberina tamiko tamin’io andro io ilay fahatsapana miavaka avy tamin’ny Fanahy, ary tsapako tao amin’ny tempoly fa teo anilako teo ny reniko. Mino aho fa hihaona aminy indray aho indray andro any.

Miezaka mandrakariva ny hahatsiaro ny zavatra tsapako tany amin’ny tempoly aho. Mihazona ny Fanahy miaraka amiko aho amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina sy ny fandalinana momba ireo fitahian’ny avy amin’ny tempoly. Rehefa mitady hampisavorovoro ny saiko ireo hafatr’izao tontolo izao dia mandalina ny soratra masina aho ary mitoky amin’ireo tenin’ireo mpaminany. Mankahery ahy sy mampatanjaka ny finoako izy ireo.

Hamoaka printy