2023
Ny toerana tiako indrindra hisaintsainana
Janoary 2023


“Toerana tiako indrindra … hisaintsainana” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Ny toerana tiako indrindra …

hisaintsainana

Manana toerana tiana izay tianao hisaintsainana ve ianao?

Rehefa misaintsaina ianao dia mahazo fomba fijery mibanjina ny mandrakizay kokoa. Izany koa dia afaka manampy anao hanatsara ny fahasalamanao ara-tsaina amin’ny alalan’ny tsy fieritreretana momba ireo zavatra izay mampisafotofoto na mankarary saina avy amin’ireo fakam-panahy sy zavatra mandrebireby eo amin’ny andavanandrom-piainana. Misy olona sasany aza manana toerana iray manokana mihitsy hakana saina. Zahao ary ny sasantsasany amin’ireo toerana fisaintsainana ireo izay nozarain’ny zatovo hafa!

Misaintsaina: Ny misaintsaina dia midika hoe manokatra ny sainao sy ny fonao amin’ireo fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mandalina sy mieritreritra momba ny filazantsara. Ny fisaintsainana mafy, izay tsy mifidy toerana, dia mitaky ny hiasanao mafy ara-panahy rehefa mikatsaka fanambarana.

Eo ambony rano

Sary
zatovovavy

Ny toerana tiako indrindra hisaintsainana dia eny ambony rano rehetra eny, toy ny farihy na ranomasimbe. Eto amin’ity sary ity izao aho dia teny ambonin’ny sambon’i Dadabe. Tiako ny mankao anatin’izany satria mahatsapa ho akaikin’ny Fanahy aho, indrindra moa amin’ny fiposahan’ny masoandro na amin’ny filentehan’ny masoandro. Ao aho no matetika mandray fanambarana sy mahazo ny hevitra tsara indrindra.

Macey M., 16, Texas, Etazonia

Mitadiava fotoana mba ho irery

Sary
zatovolahy

Ny toerana fisaintsainana tsara indrindra ho ahy dia rehefa irery aho. Misaintsaina lalandava aho, na ao amin’ny trano fidiovana na any amin’ny toerana iray mangina toy ny ao an-trano rehefa mandalina ny soratra masina. Mandehandeha mitaingina bisikileta aho, ary indraindray aho mihaino ny raki-peon’ny Avia, hanaraka Ahy. Maka fotoana aho mba ho irery eo anivona tontolon-javaboary kanto ka misaintsaina koa aho eo.

Grant R., 14, Texas, Etazonia

Hamoaka printy