2023
Fanomezana avy amin’ny filazantsara tao Guam
Janoary 2023


“Fanomezana avy amin’ny filazantsara tao Guam,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Fanomezana avy amin’ny filazantsara tao Guam

Teo amina nosin-dranomasina iray, i Franchesca dia nahazo namana sy fiononam-po tamin’ny alalan’ny filazantsara.

Sary
zatovovavy

Sary nalain’i Cody Bell

Toy ireny hoe toerana tsara hanaovana fialan-tsaratra ireny no fandrenesana ny nosy Guam noho ireo tora-pasika sy rano tony, sy lava-bato tamin’ny fahagola eo aminy, saingy andro toy ny mahazatra izany eo amin’ny fiainan’i Franchesca N. izay 15 taona! Tiany ireo tora-pasika kanto ireo. “Mahafinaritra ny mivoaka sy mizaha ny zavaboary!”

Teraka sy lehibe tao Guam izy ary tiany ny manao zavatra any ivelan’ny trano. “Izaho dia karazana olona tia mivoaka any ivelany ka tena tsy tiako mihitsy ny mijanona ao anaty trano,” hoy izy. Tiany ny mivoy lakan-kazo fisaka (planche à pagaie) eny amin’ny ranomasimbe, sy manao plongée en apnée, ary mandeha an-tongotra lavitra miaraka amin’ireo ray aman-dreniny sy ireo rahavaviny roa. Ny mandeha an-tongotra lavitra mankany amin’ny toerana misy lava-bato tamin’ny fahagola no tena tian’izy ireo.

Sary
zatovovavy sy fianakaviana ao Guam

“Akaiky be ny zandriko vavy sy ny zokiko vavy aho. Izy ireo no namako akaiky,” hoy izy. Mianatra any Hawai ny zokiny vavy. “Singa iray lehibe amin’ny fanampiana anay hifanerasera ny tambajotran-tserasera,” hoy i Franchesca nanazava. Tiany ny mifandray akaiky amin’ny olona amin’ny alalan’ny fifampiresahana matetika aminy amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera.

Ohatra ho an’ny hafa

Taona faharoa ao amin’ny lisea Katôlika i Franchesca ka izy no hany mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao. Ny hoe hany mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny sekoliny dia somary nampatahotra kely tamin’ny voalohany saingy efa zatra amin’ny fahitana azy ho miavaka izy. Ambonin’izany, ireo olona hafa manodidina azy dia mihevitra toa tsara ihany ilay maha avy amina finoana hafa azy.

Ohatra, indray andro ireo namany raha nisotro kafe dia afaka nanazava ny Tenin’ny Fahendrena tamin’izy ireo izy.

Misafidy ny tsy hiteny ratsy koa i Franchesca na dia manao izany aza ny olona hafa any am-pianarana. Hoy izy hoe: “Nalaim-panahy imbetsaka aho taloha saingy ny zavatra izay mihazona ahy ho matanjaka dia ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danira amin’ny alalan’ny vavaka.” Nampiany hoe: “Tsy tokony hanao ireny zavatra ireny aho satria tsy mety izany, satria koa tiako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.”

Mitady namana

Mety hampanirery indraindray ny maha hany mpikamban’ny Fiangonana any an-tsekoly anao. Fony izy tao amin’ny taona voalohany dia nahatsapa tena ho tena irery sy tsy nanana namana firy i Franchesca nandritra ny valanaretina. Natahotra ny hiresaka momba izany tamin’ireo ray aman-dreniny izy kanefa rehefa nivavaka izy dia nahatsapa ho notaomim-panahy hilaza ny zavatra tsapany tamin’izy ireo.

Sary
ray sy zanakavavy

Nananapa-kevitra ny hivavaka ho azy izy mianakavy mba hahafahany mahita namana azony ianteherana. Tamin’ny fomba nahagaga no nandrenesan’izy ireo olona nandondona tao am-baravaran’izy ireo raha vantany vao tapitra ny vavak’izy ireo. Hay iray tamin’ireo namany avy any amina paroasy iray hafa ilay izy sady nitondra biscuits izy. Fantatr’i Franchesca tamin’izay fa nohainoan’ny Ray any An-danitra ny vavak’izy ireo.

Ahitana mpikambana avy ao Guam sy avy amina nosy maro hafa ny tsatòka misy an’i Franchesca. Vondron-javoto vitsy monja no ao amin’ny paroasiny saingy toy ny fianakaviana iray ny paroasiny. Mifanakaiky am-po ireo mpikambana ka mamporisika azy mba handeha any am-piangonana isan’ Alahady izany. Hery mitaona lehibe sy olona fakan-tahaka eo amin’ny fiainany izy ireo.

Nahazo hery avy amin’ny kilasin’ny seminera misy azy koa i Franchesca. “Ny seminera no iray amin’ireo zavatra miavaka ao anatin’ny herinandroko,” hoy izy. “Rehefa manatrika seminera aho dia toy ireny hoe misinda avokoa ireny ny ahiahiko rehetra.”

Tiany ny manatrika seminera, na en ligne izany na mivantana, ary tsy mba nisy fotoana tsy nanatrehany kilasy raha tsy hoe voatery angaha izy. Milaza izy fa mizotra tsara lavitra kokoa ny herinandrony satria misafidy ny hanatrika seminera izy. Rehefa mandrera-tsaina azy ny herinandro dia ataony izay hanatrehana seminera satria any ho hahitany fiadanana.

Ny zatovo ihany koa dia manao fiaraha-mientana indroa na intelo eo ho eo isam-bolana. I Franchesca mihitsy aza no nandrafitra ny iray tamin’ireny kilalao atao amin’ny alina izay ahitana kilalaon-tsaina sy kilalao momba ny soratra masina mahafinaritra be dia be. Tsy afaka nihaona firy izy ireo noho ilay valanaretina koa rehefa misy fotoana ihaonan’izy ireo dia mahafinaritra ny fiarahan’izy ireo.

Sary
zatovovavy mandray anjara amina fiaraha-mientana

Naka horonan-tsary ahitana azy ireo mihira amin’ny molotra ilay hiran’ny zatovon’ny Fiangonana mitondra ny lohateny hoe “Good Day” mihitsy aza izy ireo ka nozarain’izy ireo izany mba hizarana fitiavana sy hankaherezana ny hafa. “Tena afaka manamafy orina ny fifandraisana eo amin’ny olona mihitsy ny tambajotran-tserasera, indrindra mandritra ireo fotoana izay tsy dia tena ahafahanay mifankahita amin’ny rehetra.”

Miandrandra ny hisian’ny tempoly

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2018 dia nambara ny fananganana ny Tempolin’i Yigo Guam. Hoy i Franchesca hoe: “Faly ery ireo zatovo. Nivavaka ho an’izany izahay rehetra.” Taorian’izay dia nazoto ery izy nijery ny fanamboarana izany ary niandry ilay tempolin’izy ireo manokana, izay vita tamin’ny mey 2022.

Sary
zatovovavy sy fianakaviana eo amin’ny tempolin’i Guam

Voatery tsy maintsy nankany Philippines foana izy ireo taloha rehefa hanao dia ho any amin’ny tempoly. Nanangom-bola tamin’ny alalan’ny fivarotana mofomamy sy fanasana fiara izy ireo mba handoavana ny saran’ny dia. Koa satria dia lehibe izany dia omanin’izy ireo haharitra eo amin’ny herinandro eo izany. Faly ery i Franchesca fa afaka mandeha any amin’ny tempoly matetika kokoa sy mahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana batisa isoloana tena ho an’ireo razambeny.

Fampaherezana amin’ny alalan’ny vavaka

Milaza i Franchesca fa mpitaintaina be foana izy saingy nanampy azy ny vavaka. “Tena mahery ny vavaka. Ny firesahana fotsiny amin’ny Ray any An-danitra dia mampahery ahy tokoa. Mihaino Izy sady afaka manampy.”

“Rehefa mivavaka aho dia tsy hoe mahazo valiny poa toa izay foana,” hoy izy. “Fahatsapana fitarihana izay manampy ahy fotsiny ilay izy; ilay fahatsapana ny fanatrehany sy ny fitiavany. Mampahery sy mahatonga ahy hahatsapa ho maivamaivana izany.”

Ny toroheviny ho an’ny zatovo hafa dia ny hoe: “Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra. Miresaha Aminy. Manampy be izany.”

Sary
ztovovavy mivavaka

Nilaza izy fa ny reniny koa dia mpitaindain-dava saingy manampy be koa izy. “Fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra ny reniko ary nitarika be ahy izy.”

“Fitahian-dehibe ny fianakaviana,” hoy izy. “Araka ny hevitro dia zavatra manan-danja ny firesahana malalaka amin’ny fianakavianao na namana iray raha misy fitsapana mafy manjo anao.”

I Franchesca dia maniry ny mba hahitan’ny olon-drehetra isan’andro ireo fitahian’ny Tompo. “Mety ho zavatra tsotra be ireo fitahiana mirotsaka isan’andro. Fitahiana lehibe ny mandeha any an-tsekoly. Maro be ireo fahagagana tsara raha maka fotoana isika mba hahitana azy ireny. Feno fankasitrahana aho manana ny filazantsara eo amin’ny fiainako.”

Hamoaka printy