2023
Mandroso mankany amin’ny andro mamiratra kokoa
Janoary 2023


“Mandroso mankany amin’ny andro mamiratra kokoa,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Fanampiana amin’ny fiainana

Mandroso mankany amin’ny andro mamiratra kokoa

Misy fanantenana, sy fanampiana ary fanasitranana ho an’ireo izay avy nianjadian’ny herisetra.

Sary
vehivavy iray sy i Jesoa Kristy

Indray mandeha aho nisidina niala ny faritra iray feno setroka avy tamina doro tanety tsy lavitra teo. Raha iny nanainga iny ny fiaramanidina dia nanavatsava nivoaka ilay rivotra mandavenona izahay ka nankany amin’ny lanitra nisy masoandro nibaliaka. Tonga saina aho tamin’izay fa ilay masoandro nibaliaka sy ilay rivotra madio dia teo foana fa ny fahafahako nankafy azy ireo no norakofana zavatra tsy haiko fehezina. Tsy hadisoako ny nisian’ilay doro tanety saingy mbola nisy fiantraikany teo amin’ny fiainako izany.

Toy izany ny herisetra. Ireo izay nianjadian’ny herisetra dia tsy mba tsy azo omena tsiny velively saingy tsy maintsy mbola miatrika ny voka-dratsin’izany izy ireo. Mety hanarona ny fahafahantsika mahita ny lanjan’ny tenantsika sy hampananosarotra ny hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ny herisetra. Mety ho ela ireo izay nianjadian’izany vao handresy ny fanangolen’ireo laingan’i Satana ka hifandray indray amin’ireo fahamarinana mandrakizay. Saingy misy fanantenana, sy fanampiana ary fanasitranana isaky ny manao dingana!

Tantara iray

Ny rain’i Stacie1 dia mpanao herisetra. Nilaza taminy ny rainy hoe ho olona tsy misy ilana azy izy rehefa lehibe. Nahatonga azy hahatsapa tena ho tsy misy dikany izany.

Rehefa nifindra trano i Stacie mba handranto fianarana any amin’ny oniversite dia afaka nisaina mazava kokoa izy. Nanomboka nandeha tany am-piangonana indray izy ka nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy sy ny fianakaviany. Rehefa nandeha ny fotoana dia nahita fiadanana niavosa tao amin’ny filazantsara sy ny fifandraisany tamin’ny Mpamonjy izy.

Ankizy iray lavitrisa eo ho eo maneran-tany no vinavinaina ho hianjadiana karazana herisetra amin’ity taona ity.2 Mety ho ianao na ny olona hafa fantatrao no hiaina toe-javatra toy ny an’i Stacie. Mety hanampy ireto loharano manaraka ireto:

Raha ianao no iharan’ny herisetra

Raha misy zava-mandratra manjo anao dia iangaviana ianao hilaza amin’olona momba ny zavatra mianjady aminao. Fantaro fa tia anao Andriamanitra! Ary ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo nanamao ary ireo mpikamban’ny Fiangonana mpandala fahamarinana izay eo amin’ny fiainanao dia tia anao ihany koa. Hanohana sy hiaro anao izy ireo ary hanampy anao ho tafavoaka amin’izany.

Aoka hotsaroanao hoe: “Ny fanararaotana dia tsy hadisoanao na tamin’ny lasa na ankehitriny na rahatrizay. … Tsy ianao no mila mibebaka, tsy ianao no tompon’andraikitra.”3

I Dr. Sheldon Martin, mpitsabo miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha eo anivon’ny Fiangonana izay misahana ny fianakaviana, dia milaza fa afaka manampy ireo izay avy nianjadian’ny herisetra ny mifantoka amin’ireo fahamarinana mandrakizay momba ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavin’izy ireo.

  • Ny lasa: “Olona maro ankoatra anao no miraharaha ny momba anao” hoy i Dr. Martin raha nanasongadina fa alohan’ny zava-drehetra dia zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra ianao. Mihoatra lavitra an’ireo fifandraisana anananao eto an-tany ilay fianakavianao mandrakizay. Ary ankoatra ny hery sy ny fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina, ianao dia manana razambe be fitiavana any amin’ny lafy ilan’ny voaly izay miraharaha ny momba anao sy manompo anao.

  • Ankehitriny: “TSY MANINONA ny mitia ny toe-tenanao amin’izao,” hoy i Dr. Martin, na aiza na aiza misy anao eo amin’ny dingan’ny fahasitranana. Rariny raha misy ny fahatsapana ho tezitra, na fahakiviana lalina, na fisafotofotoan-tsaina. Manàna faharetana amin’ny tenanao.

  • Ny hoavy: “Ho tsara ny hoavy,” hoy i Dr. Martin. “Fantatro izany satria fantatro ny Mpamonjy. Miraharaha ny momba anao Izy. Ataovy izay azonao atao mba hijanonana eo akaikiny. Rehefa ataonao izany dia ho lasa afaka manalavitra ny tenanao amin’ireo fifandraisana manimba ianao ka ho afaka ny hahatsapa miandalana ny fiadanany sy ny fitiavany.

Raha heverinao fa iharan’ny herisetra ny namana iray

  • Anontanio mivantana izy ireo hoe: “Misy olona mampijaly anao angaha?”

  • Henoy tsara ny zavatra izay tenenin’izy ireo. Mampisehoa hatsaram-panahy sy fangorahana.

  • Ilazao ny olona izay afaka manampy toy ny mpampianatra, ray na reny, mpanoro hevitra any an-tsekoly, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

  • Tohizo ny finamanana amin’izy ireo. Raiso toy ny mahazatra izy ireo. Ampio izy ireo hanana namana tsara hafa.

Mandrosoa hatrany

Amin’izao fotoana izao i Stacie dia olona manam-pahaizana mahomby ary manana ny fianakaviany manokana. Misy andro mbola sarotra ihany saingy mahatsapa fifaliana lehibe sy famelana ny hafa kokoa izy.

“Fantatro fa i Jesoa Kristy dia afaka manasitrana ireo ratrantsika rehetra,” hoy i Stacie. Raha misy zavatra hozarainy amin’ireo olona hafa izay avy nianjadian’ny herisetra dia izao: Manàna fanantenana hatrany.

“Misy fanantenana foana ao amin’i Kristy,” hoy izy, “na dia eo anivona fitsapana izay toa tsy hifarana na oviana na oviana aza.”

Na inona na inona olana atrehanao dia mandrosoa hatrany. Fenoy hatsarana sy finoana amin’ny fomba rehetra azonao atao ny fiainanao. Misy andro mamiratra eo anoloanao!

Fanamarihana

  1. Novaina ny anarana.

  2. Jereo ao amin’ny “Violence against Children,” World Health Organization (Organisation mondiale de la santé), https://www.who.int/health-topics/violence-against-children ireo antotan-taratasy ahitana ny zava-misy.

  3. Patrick Kearon, fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany apr. 2022 (Liahona, mey 2022, 38).

Hamoaka printy