2023
Fomba 4 hampatanjahan’i Jesoa Kristy anao
Janoary 2023


“Fomba 4 hampatanjahan’i Jesoa Kristy anao,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Fomba 4 hampatanjahan’i Jesoa Kristy anao

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy.
Filipiana 4:13

Sary
vato mifanongoa

Ireo Kristianina manerana izao tontolo izao dia mifaly amin’ity soratra masina ity: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[i Kristy] ilay mpampahery ahy” (Filipiana 4:13).

Rehefa maheno an’io ny olona, dia mety hieritreritra ny sasany amin’izy ireo fa midika izany hoe afaka ny ho tafavoaka amin’izay mety ho setra mitranga izy ireo, sy mandresy amin’izay mety ho lalao rehetra, ary ho tanteraka ny faniriana rehetra. Saingy tsy izany anefa no ampianarin’io soratra masina io.

Nosoratan’i Paoly Apôstôly fony izy tany an-tranomaizina izy io. Tamin’ny naha voafonja azy dia maro ireo zavatra tsy azon’i Paoly natao, saingy fantany fa i Jesoa Kristy dia afaka mampatanjaka azy mba hanao izay zavatra manan-danja indrindra.

Marina koa izany mahakasika anao!

1 I Kristy dia mampatanjaka anao mba hahafantatra

Nomen’i Jesoa Kristy fomba manan-danja maro ianao mba hahazoanao mahafantatra izay marina. Nampianatra antsika hivavaka mandrakariva Izy (jereo ny 3 Nefia 18:18) ary niangavy antsika Izy mba hamantatra izay marina (jereo ny Môrônia 10:4–5). Afaka mahita sy mahafantatra ny marina ihany koa ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina.

Mitondra ny Fanahy eo amin’ny fiainanao ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina. Ny Fanahy dia mety hiteny “ao an-tsainao sy … ao am-ponao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2), “hameno fifaliana ny fanahinao,” ary “hanazava ny sainao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13).

Amin’ny alalan’ireo fomba ireo ianao dia afaka hihaino Azy, haheno ny tenin’ny Mpamonjy ka hanaraka izay lazainy. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa io no “lamina […] hahazoana fahombiazana sy fahasambarana, ary fifaliana eto amin’ity fiainana ity”1

2 I Kristy dia mampatanjaka anao mba hanao ny marina

Ho tonga aminao ny tanjaka rehefa miezaka ny hitandrina ny didy sy manao safidy tsara izay mitondra ho amin’ny fiadanana sy fifaliana ianao. Mampatanjaka anao i Jesoa Kristy mba hanao izany, eny fa na dia rehefa sarotra aza ny manao ireny safidy ireny. Mety hanao safidy ratsy ianao indraindray. Soa ihany anefa fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia manome fahafahana hibebaka. Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho lasa madio ianao ary hahita fifaliana. Afaka mampatanjaka anao Izy mba “hanao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa”2 isan’andro.

3 I Kristy dia mampatanjaka anao mba handresy

Raha tao am-ponja i Paoly dia nanoratra hoe: “Izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.

“Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina […] aho” (Filipiana 4:11–12).

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia nianatra i Paoly fa amin’ny alalan’i Kristy izy dia afaka ny handresy sy hianatra avy amin’ireo fitsapana sy olana lalovany. Afaka mampatanjaka anao mba hanao toy izany koa i Jesoa Kristy.

Ny Mpamonjy dia niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.” Nentiny teo Aminy ireo rofintsika mba “hahafantarany … ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:11–12). Na inona na inona zavatra iainanao dia afaka mampatanjaka anao i Jesoa Kristy mba haharetanao ka hanatontosanao ireo zavatra izay mety tsy ho vitanao samirery.

4 I Kristy dia mampatanjaka anao mba ho tonga amin’ilay tokony hahatongavana

I Jesoa Kristy dia nahatonga ny fitsanganan’ny maty ho tena misy ho antsika rehetra ary Izy dia manome fahafahana hahazoana ny fiainana mandrakizay ho an’ireo izay mibebaka sy mandray ireo ôrdônansy tena ilaina, sy manao ka mitandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’izy ireny. Raha tsy misy an’i Kristy dia tsy afaka ny hanatanteraka ilay zavatra izay irin’ny Ray any An-danitra indrindra isika, dia ny hahatongavantsika ho tahaka Azy sy i Jesoa Kristy Zanany kokoa, ka hitoetra miaraka amin’Izy Ireo mandrakizay.

Sary
Jesoa Kristy

Afaka ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ianao rehefa mianatra avy Aminy, sy miantehitra Aminy sy matoky Azy, ary manaraka ny ohatra napetrany. Izany dia hitarika anao hiaina amim-pinoana kokoa, hiaina am-panantenana kokoa, hiaina ao anatin’ny fananana fiantrana kokoa, hiaina ao anatin’ny fananana faharetana kokoa, hiaina ao anatin’ny fananana fanetrentena kokoa, sy hiaina ao anatin’ny fahadiovana kokoa, ary hiaina ao anatin’ny fananana fankatoavana kokoa. Toetran’ny Mpamponjy avokoa ireo rehetra ireo.

Rehefa miezaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao dia Izy no ho fanantenanao sy ho fahazavanao izay hitarika anao ho lasa izay rehetra fantany fa azonao hahatongavana. Ka afaka ny hiaraka hiteny amin’i Paoly ianao hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[i Kristy] ilay mampahery ahy.”

Hamoaka printy