2023
Finoana ao anatin’ny haizina
Janoary 2023


“Finoana ao anatin’ny haizina,” Ho zatovo mahery! Des. 2023.

Finoana ao anatin’ny haizina

Indreto misy sosokevitra vitsivitsy izay nanampy ahy tamin’ny izaho nanana fanontaniana sy fisalasalana.

Sary
lava-bato

Sary avy amin’ny Getty Images

Fony aho mbola kely dia matetika ny fianakaviako no mitsidika ny Great Basin National Park any Nevada, Etazonia. Zavatra iray miavaka ao amin’io valan-javaboary io ny Lehman Caves (Lava-bato Lehman).

Misy mpitari-dia iray mitondra anao any amin’ny farany lalin’ilay lava-bato ka misy fotoana vonoiny ny jiro rehetra. Miaina ilay hoe haizina mikitroka ianao. Mavesatra ilay fahatsapana, ary manahiran-tsaina ny mieritreritra ny fitadiavana ny lalana hivoahana ao anatin’ilay lava-bato kanefa tsy misy jiro. Soa ihany fa mamerina mandrehatra jiro foana ilay mpitari-dia ary mitarika anao hivoaka soa aman-tsara.

Indraindray isika dia sendra fanontaniana sy fisalasalana mihitsy aza momba ny Fiangonana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Mety ho toy ny mavesatra sy tsy azo antoka toy ireny hoe ao anaty lava-bato maizin-kitroka reny izany.

TSY MANINONA ny manana fanontaniana sy fanahiana. Ny tena manova zavatra dia ny fomba hiatrehanao azy ireny.

Indreto misy sosokevitra vitsivitsy izay nanampy ahy.

Ampiharo ny finoana

Hitako fa rehefa miatrika ireo fanotaniana sy fanahiana ireo ao anatin’ny fananana finoana aho dia afaka mahita fomba hirosoana foana. “Ny finoana dia tsy fananana fahalalana tomombana ny zavatra” (Almà 32:21). Ary “na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo” (Almà 32:27).

Hiteny aminao izao tontolo izao fa raha tsy afaka manaporofo zavatra iray amin’ny alalan’ny fenitra ara-tsiansa ianao dia tsy afaka ny ho marina izany. Tsy izany no fomban’ny Tompo. Izao no nolazain’ny Mpamonjy tamin’i Tomasy izay tsy nino raha tsy nikasika mihitsy ireo fery teny amin’ilay Mpamonjy izay nitsangana tamin’ny maty hoe: “Aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa” (Jaona 20:27).

Mangataha, mitadiava, dondòny

Miverimberina ao amin’ny soratra masina ilay andian-teny hoe “mangataha, mitadiava, dondòny” (jereo ny Matio 7:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63). Ny fomba fanampian’ny Tompo antsika amin’ireo fanontaniantsika dia ny fametrahantsika fanontaniana Aminy.

“Raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5). Mankanesa mivantana any amin’ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra. Tia anao Andriamanitra ary hanampy anao.

Aoka ianao ho mpikatsaka fahamarinana

Hitako fa ireo izay mikatsaka fahamarinana amin-kitsim-po sy amim-panetrentena matetika no mahita valiny amin’ny fanontanian’izy ireo amin’ny farany. Etsy ankilany, ireo izay mitady mba hahitana ny tsy mety fotsiny dia hihataka hanalavitra hatrany ny fahamarinana.

Aoka ianao ho mpikatsaka fahamarinana. Tena misy ny fahamarinana ary afaka mahita izany ianao.

Manamboara boaty misy ny zavatra “Ho voavaly atsy ho atsy”

Koa inona no ataonao raha toa ka efa nikatsaka valim-panontaniana tamim-panetrentena sy tamin-kitsim-po ianao kanefa toa tsy tonga tsotra izao izany?

Mbola atrehiko ao anatin’ny finoana ihany izany. Nanamboatra boaty kely iray ao amin’ny talantalan’ny saiko aho, toy ireny vata tsara tarehy misy harena sarobidy ireny. Toy izao ny teny misoratra eo amin’ilay izy “Ho voavaly atsy ho atsy.”

Rehefa manana fanontaniana na fanahiana tsy voavahako aho dia soratako eo amina taratasy an’eritreritra ilay izy, ataoko tsara valona, dia arotsako ao anatin’ilay boaty. Dia averiko eo amin’ny talantalana indray izany avy eo.

Sary
Boaty vita amin’ny hazo

Rehefa manao izany aho dia maneho finoana fa indray andro any dia hamaly izany ny Tompo. Mety hovaliny izany na tsia. Miankina Aminy ao anatin’ny fahendreny tsy manam-petra izany.

Marihiko kely eto fa efa nisy voavaly ny sasany tamin’ireo fanontaniako. Saingy maro no mbola ao anatin’ilay boaty. Ary TSY MAMPANINONA ahy izany.

Ry namako malala ao amin’i Kristy, aoka ianareo ho mpikatsaka ny fahamarinana.

Hiaraka aminareo ny Tompo eo am-pitomboan’ny finoanareo. Ary rehefa manatona Azy amim-pinoana ianareo dia hambarany aminareo ny zava-drehetra ilainareo fantarina amin’izay fotoana izay.

Hamoaka printy