2023
Ny fampanantenana nataontsika mba ho fahazavana
Janoary 2023


“Ny fampanantenana nataontsika mba ho fahazavana,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Matio 3

Ny fampanantenana nataontsika mba ho fahazavana

I Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao. Ndeha isika hanao izay vitantsika mba hizara ny fahazavany.

Sary
batisa

Vahoaka maro be avy amina toerana maro samihafa no tonga mba hijery ilay lehilahy iray tany an’efitra izay nitafy lamba volon-drameva ary valala sy tantely no fihinany. Liana ny handre ny fampianarany momba ny Mpamonjy sy ny fibebahana ary ny batisa izy ireo. Rehefa avy nandre azy izy ireo dia olona maro no naniry ny hatao batisa. Nataony batisa ireo izay nibebaka. I Jaona Mpanao Batisa no anaran’io lehilahy io.

Indray andro raha nanao batisa olona tao amin’ny Renirano Jordana i Jaona dia tamy i Jesoa Kristy ary nangataka ny mba hatao batisa. Gaga i Jaona. Fantany fa nankatò foana ny didin’Andriamanitra i Jesoa ary tsy nila nibebaka. Raha ny marina dia nihevitra izy fa i Jesoa no tokony hanao batisa azy (jereo ny Matio 3:14)! Nohazavain’i Jesoa fa Andriamanitra dia nandidy ny olon-drehetra mba hatao batisa, noho izany Izy koa dia nila natao batisa mba ho ohatra. Nanaiky i Jaona ka nataony batisa tao amin’ny Renirano Jordana i Jesoa.

Ny batisan’i Jesoa dia mampianatra antsika fa isika koa dia tsy maintsy atao batisa. Fony ianao natao batisa dia nanao fanekempihavanana ianao ary nampiseho ny fahavononanao ny hanaraka ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy, tsy tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao fotsiny fa mandrakariva.

Fampananatenana sy fahafahana azo araraotina hanaovan-javatra

Rehefa atao batisa ianao dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mampanantena ny hitondra eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Môzià 5: 8–10). Ianao koa dia mampanantena ny hitandrina ny didiny, hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra “amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra ary amin’ny toerana rehetra” (Môzià 18:9) ary hanompo Azy (jereo ny Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

Isan-kerinandro any am-piangonana, ianao dia manavao io fanekempihavanana io rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Amin’izany ianao dia “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy […], amin’ny fanana[nao] fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra” (2 Nefia 31:20).

Eny an-dalana eny ianao dia hanana fahafahana maro hanaraka ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy sy hampiseho ny fitiavanao Azy sy ireo izay manodidina anao. Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Manana namana tokony hampiana isika, zanaka tokony harovana, mahantra tokony hatraka ary fahamarinana tokony harovana. Ao ny hadisoana tokony hahitsy, ny fahamarinana tokony hozaraina, ary soa tokony hatao. Raha bangoina dia manana fiainana amin’ny maha mpianatra manolo-tena antsika isika mba ho atolotra ho fanehoana ny fitiavantsika ny Tompo.”1

Fahazavana ho an’ireo izay sahirana

Ny Mpamonjy, ilay ohatra tonga lafatra ho antsika, dia nitia sy nanompo ny hafa lalandava ary “[nandehandeha] nanao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38).

Amin’ny fotoan-tsarotra dia i Jesoa Kristy no ilay Fahazavana izay “mamirapiratra ao amin’ny maizina” (Jaona 1:5). Nampianariny ihany koa isika mba ho fahazavana. Hoy Izy: “Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko” (3 Nefia 18:24).

Tao anatin’ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa, dia nampanantena ianao ny “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany” ary “hiara-malahelo amin’ izay malahelo … ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:8–9).

Rehefa sendra olona malahelo na kivy ianao dia mety hazava ny fomba hanampiana. Misy fotoana anefa tsy ho hainao izay holazaina na hatao. Amin’ireny fotoana ireny dia mbola afaka manokatra ny fonao ianao. Afaka mihaino azy ireo ianao ary manohana azy ireo.

Rehefa mitia sy manompo ny hafa ianao dia hihamamirapiratra ao anatinao ny fahazavan’ny Mpamonjy ka hanazava ny lalana eo alohanao izany. Hanintona ireo hafa izay mikatsaka ny fahazavan’ny Mpamonjy ihany koa izany. Rehefa mibosesika mandroso sy mitandrina ireo fampanantenana nataonao tamin’ny batisa ianao dia hahita fomba maro ahafahanao manao izay hahatonga ity izao tontolo izao ity ho tsara kokoa sy mamiratra kokoa.

Hamoaka printy