2023
Ilay fahagagana lehibe indrindra
Janoary 2023


“Ilay fahagagana lehibe indrindra,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Lioka 1, 5

Ilay fahagagana lehibe indrindra

Misy fahagagana iray izay manan-danja kokoa noho izy rehetra ireo.

Ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra (jereo ny Lioka 1:37; Filipiana 4:13). Kanefa afaka mivavaka ara-bakiteny momba ny zavatra rehetra ve ianao dia ho tanteraka izany? Nahoana ny olona sasany no itrangana fahagagana raha ny hafa kosa toa tsy itrangan’izany? Dia inona no tena dikan’izany rehetra izany aminao?

Ireo fahagagana telo taloha sy ireo fahagagana telo amin’izao andro izao ary ilay fahagagana iray lehibe indrindra dia mampianatra antsika misimisy kokoa.

1

Fahagagana fahiny

Sary
I Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely

Sary nataon’i Camila Gray

Mety ho gagagaga angamba i Maria raha nilazan’ny anjely Gabriela fa ho renin’ny Mpamonjy izy. Zavatra tsy tokony ho tanteraka izany. Saingy nohazavain’ny anjely Gabriela fa i Jesoa dia ho Zanak’ Andriamanitra ka hoy izy hoe: “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37). Ary marina ny tenin’ilay anjely. Niteraka ny Mpamonjy an’izao tontolo izao tokoa i Maria.

Fahagagana amin’izao andro izao

Sary
Rahavavy misiônera manampy vehivavy efa antitra iray

Nisy misiônera roa nanompo tany Mexique niampita isan’andro ny arabe iray ifanaretsahan’ny fiara. Indraindray izy ireo tsy maintsy miandry 10 minitra vao afaka miampita, ary voatery mihazakazaka izy ireo mazàna! Avy eo izy ireo dia nifanehitra tamina mpikambana malaindaina iray izay efa antitra tokoa ary tena miadam-pandeha. Naniry handeha ho any am-piangonana niaraka tamin’izy ireo izy saingy, indro ny ampahany tsy azo ihoarana, tsy maintsy hiampita ilay arabe ifanaretsahan’ny fiara izy. Ary tsia, tsy afaka nibaby azy hiampita ireo misiônera (na dia nieritreritra izany tokoa aza izy ireo!). Saingy avy eo dia nisy fahagagana iray nitranga tamin’izy ireo. “Rehefa tonga teo amin’ilay arabe izahay,” hoy ny iray tamin’ireo misiônera, “dia tsy nisy fiara tamy. Afaka nandeha faran’izay miadana sy nieren-doza izahay raha niampita.”

Zavatra tsy tokony ho tanteraka ve?? Saino indray!

Hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra (eny fa na dia ireo zavatra izay tsy azo tanterahina aza!).

2

Fahagagana fahiny

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana ilay lehilahy nampidinina avy teny amin’ny tafo

Nisy lehilahy iray “nararin’ny paralysisa,” na nalemy tsy afa-nihetsika. Nino izy fa afaka hanasitrana azy ny Mpamonjy. Saingy nohodidinin’ny olona maro be i Jesoa ka sarotra ny nankeny Aminy. Dia inona ary no nataon’ilay lehilahy? Nampidinin’ireo namany niaraka tamin’ny fandriany avy teny amin’ny tafon-trano iray izy mba hanatonana ny Mpamonjy. Aza diso hevitra fa mety ho tsy mora izany. Tsy maintsy ho nanana finoana lehibe izy sy ireo namany. Ary dia nahaleo ny sarany ny vidiny. Navelan’i Jesoa ny fahotan’ilay lehilahy ary nositraniny izy (jereo ny Lioka 5:17–26).

Fahagagana amin’izao andro izao

Sary
tanalahy

Raha teo am-pilalaovana niaraka tamin’ireo namany tao amin’ny valan-javaboary i Ella W. dia very ny taròndro fiompin’ny sasany tamin’ireo namany. Mety ho toy ny hoe olana tsy dia misy dikany izany. Saingy tadidio fa ny tanalahy dia miova loko mba hifangaro amin’ireo zava-manodidina azy ireo. Rehefa avy nanao fikarohana elaela dia nanapa-kevitra i Ella fa tonga ny fotoana hivavahana amim-pinoana. Tsy ela akory izy ireo dia afaka nahita ilay tanalahy teny amina hazo iray! “Raha vantany vao teny amin’ny tanan’ny olona iray ilay izy dia nanao vavaka fisaorana ny Ray any An-danitra izahay,” hoy i Ella.

Tonga amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fahagagana

Ny zavatra tsy azo tanterahina dia azo tanterahina foana ho an’ Andriamanitra. Saingy mila manam-pinoana ny Mpamonjy isika (na farafahakeliny mba manam-paniriana ny hino!) ka mampihatra izany finoana izany mba hitrangan’ny fahagagana.

3

Fahagagana fahiny

Sary
I Elizabetra sy i Zakaria ary i Jaona Mpanao Batisa mbola zazakely

Efa nivady nandritra ny taona maro i Elizabeta sy i Zakaria kanefa tsy nanan-janaka izy ireo. Indraindray dia mety ho nahatsapa izy ireo fa toa tsy novalina ireo vavaka tamim-pahatokiana nataon’izy ireo. Ary farany dia efa antitra loatra izy ireo ka tsy nanan-janaka. Saingy avy eo dia nisy anjely niseho tamin’i Zakaria ka nilaza taminy fa hanan-janaka i Elizabeta. (Tsetsatsetsa tsy aritra: lasa Jaona Mpanao Batisa avy eo ilay zaza!) Tamin’ny farany dia azo notanterahina ny zavatra tsy azo notanterahina. Saingy nila niandry ela dia ela tokoa i Elizabeta sy Zakaria (jereo ny Lioka 1).

Fahagagana amin’izao andro izao

Sary
tsodranon’ny fisoronana

Voan’ny androbe i Lindsey M. “Isa-maraina aho dia mitalaho ny Ray any An-danitra foana mba hanala ireo fanintona,” hoy i Lindsey. Saingy tsy niala izy ireo. Teo am-piandrasan’i Lindsey mba ho sitrana dia nandray tsodranon’ny fisoronana izy, izay nitondra fiadanana ho azy izy. Ary izany fiadanana izany dia fahagagana mihitsy. “Rehefa mitodika any amin’ny Raintsika any An-danitra isika dia tsy azo ihodivirana fa ho eo anilantsika Izy, mampiely fahagagana sy manolotra fampiononana,” hoy izy. Nandalo fandidiana izay nanampy azy tamin’ireo fanintona i Lindsey nony farany.

Mitranga araka ny sitrapon’ Andriamanitra ny fahagagana

Hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra. Mety hoe manana finoana lehibe ianao. Saingy mitranga araka ny fotoan’ny Ray any An-danitra sy ny sitrapony ary amin’ny fombany ny fahagagana. Tadiavo ireo fahagagana hafa mitranga eny antsefatsefany eny, toy ny fiadanana, sy ny hery mba haharetana.

Ilay fahagagana lehibe indrindra

Niresaka betsaka momba ny fahagagana isika. Kanefa misy fahagagana iray izay lehibe sy manan-danja kokoa noho izy rehetra ireo. Izany fahagagana izany dia tamin’ny nahatongavan’ny Zanak’ Andriamanitra tety an-tany ho zazakely, izay nampianatra sy nanasitrana taty aoriana, ary avy eo nanome ny ainy. Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahotantsika sy ny alahelontsika ary ireo rofintsika. Tafiditra tao anatin’ny fahagagana nataony ny telo andro tao am-pasana ary avy eo ny fitsanganana amin’ny maty izay nitondra ny fiainana aorian’ny fahafatesana ho antsika rehetra. Izany fahagagana izany dia manova ny zava-drehetra.

Mora ny tafahitsoka amin’ny hoe miezaka ny hanam-pinoana mba hitrangan’ny fahagagana iray manokana. Ary mety ho mafy izany rehefa tsy mahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra isika. Koa aleo mampifantoka ny finoanao amin’ilay fahagagana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy toy izay mampifantoka izany amin’ny fahagagana izay irinao. Manàna finoana fa tsy misy tsy hain’ Andriamanitra tanterahina, anisan’izany ny zavatra ivavahanao. Kanefa manàna ihany koa finoana fa ny sitrapony dia tsara kokoa noho ny anao. Raha tsy novalina araka ny nantenainao azy ireo vavaka nataonao dia hampatanjaka anao Izy ary hanampy anao haharitra.

Ny zavatra lehibe indrindra azo sintonina

Rehefa mampifantoka ny finoanao amin’i Jesoa Kristy ianao dia ho takatrao ny dikan’ny hoe hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra. Hino ianao fa ny Ray any An-danitra dia afaka mamaly ireo vavakao, ary hatoky ny sitrapony ianao ka handray ny fiadanany rehefa tsy mandeha araka izay nikasana azy ny zava-drehetra. Noho izany dia apetraho amin’i Jesoa Kristy ny finoanao. Izy no ilay fahagagana. Ary hainy ny zavatra rehetra.

Hamoaka printy