2023
Mahita fifaliana amin’ny fanaovana asa fanompoana amin’ny alalan’ny mozika
Janoary 2023


“Mahita fifaliana amin’ny fanaovana asa fanompoana amin’ny alalan’ny mozika,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Fototra mafy orina

Mahita fifaliana amin’ny fanaovana asa fanompoana amin’ny alalan’ny mozika

Sary
zatovolahy mitendry pianô

Sary nataon’i Emily Jones

Nanomboka nianatra pianô aho tamin’ny izaho fito taona. Tamin’ny voalohany dia sarotra ny sady namaky ireo naotin’ny mozika no nifantoka nandritra ireo lesona narahiko. Tsy tiako tsotra izao fotsiny ny nitendry pianô.

Avy eo ny reniko dia nangataka ahy mba hitendry ny “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53) nandritra ny batisako. Io no fotoana voalohany nitendreko hira tao am-piangonana. Natahotra aho saingy nirehareha tamin’ny tenako nony nahavita izany.

Tsy ela akory dia tototra tamin’ny fianarana aho ka nikasa ny tsy hianatra pianô intsony saingy namporisika ahy ireo ray aman-dreniko mba hanohy hianatra. Nolazain’izy ireo fa raha manohy mitendry aho dia afaka ny hahita fifaliana amin’ny fanompoana ny Tompo.

Nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao dia tiako ny nitendry pianô. Nanomboka nitendry aho nandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ka rehefa feno 12 taona dia nantsoina ho mpitendry pianô tao amin’ny paroasy tamin’ny fomba ôfisialy. Faly ery aho! Nitendry nandritra ny fampisehoana ataon’ny Kilonga aho ary nitendry ho an’ny amboaram-peon’ny paroasy nandritra ireo fihaonamben’ny paroasy sy ireo fampaherezam-panahy. Nantsoina mihitsy aza aho mba ho mpitendrin’ny amboaram-peon’ny tsatòka ka nitendry nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka.

Feno fankasitrahana ireo ray aman-dreniko aho tamin’ny namporisihan’izy ireo ahy hanao izay tsara indrindra vitako. Ho feno fankasitrahana mandrakizay ny Ray any An-danitra aho ny amin’ny talenta nomeny ahy. Fantatro fa ho afaka ny hampiasa ireo talentako aho mandritra ny asa fitoriana ny filazantsara izay hataoko sy amin’ny asa fanompoana hafa hataoko indray andro any. Tena mahita fifaliana marina aho amin’ny fanompoana ny Tompo.

Jyle S., Faritry ny renivohitry ny firenena, Philippines

Hamoaka printy