2023
Ilay fanamby noho ny tsy fisotroana dite
Janoary 2023


“Ilay fanamby noho ny tsy fisotroana dite,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Fototra mafy orina

Ilay fanamby noho ny tsy fisotroana dite

Indray andro izay tao anatin’ny ririnina, raha nandia ny tokontanin-tsekoly niaraka tamin’i Alice sy i Trevor namako aho dia sendra famantarana iray nivaky hoe: “Efa misy dite izao.” Nientanentana ery i Trevor nanolo-tena hividy dite iray kaopy ho anay. “Aoka izao fa misaotra!” hoy aho.

Isan’andro i Trevor dia nanome dite ho ahy saingy nolaviko hatrany. Nony farany dia nanontaniany hoe nahoana aho no tsy misotro dite. Nolazaiko azy ny momba ny Tenin’ny Fahendrena niaraka tamin’ny fanantenana fa ho takany izany. Saingy navadiny ho toy ny vazivazy be fotsiny izany. Nezahiny ny handikako ny Tenin’ny Fahendrena.

“Tsy ohatran’ireny hoe mandray zava-mahadomelina ireny anie ianao e!” hoy izy. “Dite iray kaopy ve dia hampaninona!”

Ny herinandro manarak’io dia vao mainka nanomboka nandrangitra ahy izy sy ireo namany. Niezaka ny tsy ho menatra ny amin’izany aho, saingy tsy mora ilay izy.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nahatsapa tena ho diso izy ireo tamin’ny zavatra nataony ary nitsahatra tsy nandrangitra ahy. Indray andro dia hoy ny mpampianatra ahy tamiko hoe: “Nijoro ho ohatra lehibe amin’ny zavatra inoanao sy ny fivavahanao foana ianao hatrizay. Tena mirehareha ny aminao aho.”

Mirehareha amin’ny tenako koa aho. Tsy mora foana izany saingy fantatro fa hotahiana aho noho ny fijoroako amin’ireo fitsipika iainako.

Nicolé M., Midlands Andrefana, Royaume-Uni

Hamoaka printy