2023
Indraindray aho dia mahatsapa hoe mitsikera ahy be loatra ny ray aman-dreniko. Ahoana no ahafahako mamaly amim-panajana?”
Janoary 2023


“Indraindray aho dia mahatsapa hoe mitsikera ahy be loatra ny ray aman-dreniko. Ahoana no ahafahako mamaly amim-panajana?,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Fanontaniana sy valiny

“Indraindray aho dia mahatsapa hoe mitsikera ahy be loatra ny ray aman-dreniko. Ahoana no ahafahako mamaly amim-panajana?”

Makà fotoana hiarahana

Sary
zatovovavy

Manome torohevitra sy manitsy ireo ray aman-dreninao satria tiany ianao ary te hanampy anao hahomby izy ireo. Rehefa tsapa ho tsy ara-drariny izany fanitsiana izany dia makà fotoana ifampiresahana izany mivantana sy manokana amin’ireo ray aman-dreninao rehefa samy tony ianareo. Afaka mitady fotoana hanaovanareo zavatra izay hitanao fa samy tianareo ianao, ohatra hoe mahandro na manao fanatanjahan-tena. Manampy amin’ny fanasana ny Fanahy ao amin’ilay fifampiresahana izany.

Rebekah M., 17, Maryland, Etazonia

Tsarovy fa tian’izy ireo ianao

Sary
zatovovavy

Raha tadidinao hoe ireo ray aman-dreninao dia manitsy sy manoro hevitra anao satria tian’izy ireo ianao dia ho mora be kokoa ny manaiky ny fanitsian’izy ireo. Hanampy anao hifampiresaka tsara kokoa amin’izy ireo ny manao tonom-bavaka kely mba hangatahana ny Fanahy hanampy anao hitoetra ho manaja sy manetry tena.

Lauren M., 16, Texas, Etazonia

Manasitrana ny fahitsim-po

Sary
zatovovavy

Afaka mamaha ny karazana disadisa rehetra ny fifampiresahana tsara sy atao amin-kitsim-po. Mifanatreha amin’ny ray aman-dreninao ary resaho izy ireo. Lazao azy ireo ny zavatra nandratra anao, dia henoy ny zavatra mampalahelo na mandiso fanantenana azy ireo. Makà fotoana iarahana bebe kokoa ary mambole fitiavana sy fihavanana ao anatin’ny fifandraisanareo sy ao an-tokantrano. Rehefa tezitra ianao dia angataho ny Ray any An-danitra mba hampitony ny fonao.

Rafaella P., 17, São Paulo, Brésil

Teneno azy ireo fa tianao izy ireo

Sary
zatovovavy

Afaka mamaly amim-panajana ianao, na dia sarotra aza izany. Teneno ireo ray aman-dreninao fa tianao izy ireo, fa ianao dia miraharaha ny momba azy ireo, ary fantatrao fa tian’izy ireo ianao. Ampahafantaro azy ireo fa mandratra ny toe-pihetseham-ponao, sy ny toe-panahinao, ary ny toe-tsainao ny zavatra lazain’izy ireo. Mivavaha matetika. Hanampy anao tokoa ny Ray any An-danitra.

Wellie S., 13, Luanda, Angola

Hitan’izy ireo ny hery anaty anananao

Sary
zatovovavy

Miandrandra ny tsara indrindra avy amintsika Andriamanitra ary afaka mahita ilay tena hery anaty ananantsika. Izany no antony itakiany zavatra be amintsika. Ireo ray aman-dreninao ihany koa dia mahita ilay hery anaty anananao ka maniry ny tsara indrindra ho anao sy ny mba hahombiazanao! Mety hoe tsy tonga lafatra izy ireo eo amin’ny fampaherezana anao ao anatin’ny fivoarana ataonao, ary tsy tonga lafatra koa ianao amin’ny fanatanterahana izany. Miresaha amin’ny fo mahitsy sy feno fitiavana amin’ny ray aman-dreninao dia hitarika anareo ny Fanahy mba hisian’ny fahatakarana.

Brooke T., 18, Arizona, Etazonia

Aoka ianao ho mpihaino manetry tena

Vao tsy ela izay aho no nanandrana ny ho mpihaino tsaratsara kokoa. Miezaka amim-pahanginana aho mba hihaino ny zavatra izay lazain’ny ray aman-dreniko toy izay mifanditra amin’izy ireo na mamalivaly azy ireo. Mitaky faharetana be sy fanetrentena be izany saingy afaka manamafy orina ny fifandraisanareo ny fanaovana izany ary manome sehatra ho an’ny fahatakarana eo amin’ny roa tonta.

Kami., 18 taona, Utah, Etazonia

Hamoaka printy