2023
Tahaka an’i Kristy kokoa
Janoary 2023


“Ho tahaka an’i Kristy kokoa,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Ho tahaka an’i Kristy kokoa

Sary
Jesoa Kristy

Ampahany ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ny miezaka ny ho tonga tahaka an’i Kristy kokoa amin’ny alalan’ny fivoarana ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52). Mety tsy hampino fa ny fanatrarana tanjona dia tsy voatery ho sarotra araka ny fiheveranao azy. Zahao ny fomba hivoaran’ny zatovo manerana izao tontolo izao ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa!

Ara-panahy

Sary
zatovovavy

Anarana: Catalina

Toerana: Chili

Tanjona: Mamaky soratra masina sy mivavaka isan’andro

“Miezaka ny mijanona ho akaiky ny Fanahy aho amin’ny alalan’ny vavaka. Mivavaka isan-kalina aho mialoha ny hatory ary avy eo mamaky soratra masina. Miezaka mafy aho mba hahatakatra izany tsara kokoa. Rehefa mamaky sy mivavaka isan’andro isan’andro aho dia mahatsapa fiadanana sy ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra.”

Ara-piarahamonina

Sary
zatovovavy

Anarana: Raisa

Toerana: Samoa

Tanjona: Mahafantatra tsara kokoa ireo zatovovavy ao amin’ny kilasy misy azy

“Mety hoe efa fantatro ny anaran’ireo zatovovavy ao amin’ny paroasiko kanefa tsy fantatro hoe iza izy ireo na inona no zavatra tian’izy ireo. Koa dia nanomboka namantatra ny zatovovavy tsirairay aho, ary ho ana olona izay tsy be teny toa ahy dia nahafinaritra ahy ny nahafantatra zavatra maro be hitovianay. Arakaraka ny nahaela ny fotoana laniko namantarana azy ireo no nahitako kokoa ireo zatovovavy tsara tarehy ireo tamin’ny fomba ahitan’ny Ray any An-danitra azy ireo.

Ara-batana

Sary
zatovolahy

Anarana: Eugene

Toerana: Kenya

Tanjona: Mivoatra eo amin’ny filalaovana baolina kitra

“Nanomboka nanao fanazaran-tena niaraka tamina andiana namana aho tamin’ny volana lasa. Nanampy ahy ilay traikefa mba hahatakarana fa Andriamanitra dia tsy maniry ny handiavantsika ny fiainana irery. Afaka manasa ireo namantsika isika hiaraka amintsika ao anatin’ny tanjontsika mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy. Fantany fa mila ny tsirairay avy isika mba hahombiazana. Raha mivavaka isika dia hasiany olona eo amin’ny fiainantsika mba hanampy antsika ho tonga ilay olona tsara indrindra azontsika ahatongavana.”

Ara-tsaina

Sary
zatovolahy

Anarana: Jackson

Toerana: Caroline du Sud, Etazonia

Tanjona: Lavitra ezaka: Hanana fiara fivarotan-tsakafo indray andro any; akaiky: Mianatra momba ny fanaovan-tsakafo

“Nolazaiko tamin’ireo mpitarika ahy ao amin’ny Zatovolahy ny amin’ny tanjoko iray momba ny fananana fiara fivarotan-tsakafo. Hoy izy hoe: -Manao lanonana ho an’ny fiverenana mianatra aho isan-taona. Ka ahoana raha mba tonga ianao mahandro ho anay?- Dia nataoko izany. Nahavita hot dogs sy burgers niisa 50 teo ho eo aho tao anatin’ny 45 minitra. Tiako ny niaraka tamin-dry zalahy ao amin’ny kôlejy misy ahy ary nahazo fanamarihana tsara sy fandokafana avy tamin’ilay traikefa aho. Sady nianatra zavatra maro aho.”

Hamoaka printy