2023
Miorina eo ambonin’ny fototra mafy orina
Janoary 2023


“Miorina eo ambony fototra mafy orina,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Fototra mafy orina

Miorina eo ambonin’ny fototra mafy orina

Sary
Zatovovavy iray mihazona fantsona fanondrahana

Sary nataon’i Emily Jones

Nijery aho dia vaka ny saiko raha nanondraka ny fototry ny tranonay izaho sy ny fianakaviako. Tsapako ho nahatsikaiky ny tenako. Reko taiza izay hoe misy olona manondraka trano? Rehefa nifindra tao Texas, Etazonia izahay dia nohazavain’ny mpifanolobodirindrina taminay fa eo amin’io faritra manokana io dia ilainay tondrahana ny fototry ny tranonay mba tsy hahatonga ny trano hiletsy ka hitresaka noho ny toetrandro. Koa dia notondrahako ny trano na dia nahatsapa tena ho toy ny adala aza aho nanao izany.

Nanampy teny ihany ilay fanondrahana saingy nony farany dia nanomboka nitresaka ny tranonay. Tsy ela dia tsikaritray fa tsy niorina teo ambonin’ny fototra mafy orina ny tranonay. Naorina teo ambonin’ny tany nototofana ilay izy, izay nahatonga ny tranonay nilentika toy ny fako nalevina mba ho simba rehefa mandeha ny fotoana. Na dia notondrahanay aza ny fototry ny tranonay dia mbola nitresaka ihany izany. Nony farany dia nifindra trano izahay.

Io zavatra niainana io dia mampatsiahy ahy ny maha zava-dehibe ny manorina ny fototro ara-panahy eo ambonin’ny fototra mafy orina an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nisy fotoana aho tsy nahatsapa faharesen-dahatra mafy orina momba ny filazantsara. Tamin’ny alalan’ny fisafidianana ny hino aho dia “nanondraka ny fototry” ny finoako mandra-pahafahako nanorika fijoroana ho vavolombelona teo ambonin’ny fototra mafy orina an’ny filazantsara. Noho izaho nisafidy ny hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia nanorina fototra mafy orina izay tsy hitresaka aho.

Ann J., Maryland, Etazonia

Hamoaka printy