2023
Araho ilay tena fahazavana
Janoary 2023


“Araho ilay tena fahazavana,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Jaona 1:1–5

Araho ilay tena fahazavana

Eo ho anao mandrakariva ny fahazavan’i Jesoa Kristy, omaly sy anio ary ho mandrakizay.

Sary
Jesoa Kristy

Consider the Lilies [Diniho ny fanirin’ny lilia], nataon’i Haley Miller

Indray Alahady tamin’ny taona 1948 rehefa nody ny masoandro, dia nandeha teny amoron’ny Renirano Trent tany Nottingham, Angleterre aho. Misiônera 20 taona aho tamin’izay. Andro iray tena lava sy namizana tamin’io kanefa faly aho ary afa-po tamin’ny asa.

Nivavaka tao am-poko aho raha nandeha nanaraka ilay renirano. Nanantena ny hahatsapa fitarihana avy amin’ny Tompo aho ka nanontany hoe: “Moa ve aho manao izay zavatra tianao?”

Tampoka teo dia nisy fahatsapana fiadanana sy fahatakarana mahery vaika nanenika ahy. Tamin’io fotoana manokana io no nahafantarako fa fantatr’i Jesoa Kristy sy tiany aho. Tsy nahita fahitana na nahare feo aho saingy tsy ho nahafantatra ny tena fisian’i Kristy marina sy ny maha andriamanitra Azy tamin’ny fomba mahery vaika kokoa aho raha niseho tamiko sy niantso ahy tamin’ny anarako Izy.

Hatramin’io andro io mandraka ankehitriny, ny fanapahan-kevitra rehetra noraisiko dia nifototra tamin’ny fahafantarako fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy. Tsy misy teny afaka maneho ny fitiavako lalina sy mahery vaika Azy. Izy no Tompoko, Mpamonjiko, sy Mpanavotra ahy ary namako.

An-taonany maro sy nanerana izao tontolo izao no nijoroako ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Fantatro fa Izy no ilay Fahazavana marina sy maharitra mandrakizay izay “mamirapiratra ao amin’ny maizina” (Jaona 1:5). Tombontsoa ho antsika ny manatona Azy sy manaraka Azy ary mahatsapa ny fahazavany eo amin’ny fiainantsika.

Ny marina momba ny fahazavana

Isaky ny 24 ora ny andro dia mivadika ho alina ary ny alina mivadika ho andro. Rehefa miaina ao anatin’ny haizin’ny alina isika dia tsy manahy fa hoe lasa ny masoandro. Fantatsika fa hihodina ny tany ary hiposaka amintsika indray ny masoandro. Mety tsy ho afaka ny hahita na hahatsapa mandrakariva ny fahazavana isika kanefa izany dia eo foana.

Marina koa izany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nampahatsiahivina ahy izany taona maro lasa izay raha nibanjina tamim-pahatalanjonana ny lanitra amin’ny alina izaho sy i Barabara vadiko. Toa namirapiratra sy kanto, mihoatra noho ny mahazatra, ireo kintana an-tapitrisany hitanay. Nampieritreritra ahy momba an’i Jesoa Kristy ny fahitana ireo kintana avy eo.

Izy dia “tao amin’ Andriamanitra tamin’ny voalohany” (Jaona 1:2). Teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra Izy no nahary ny tany sy tontolo tsy hita isa (jereo ny Mosesy 1:33). Izy no hery izay manome hazavana ny masoandro, ny volana sy ny kintana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:7–10). Izy no loharanon’ny fahazavana sy ny ain’ny zavatra rehetra (jereo ny Jaona 1:3–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:10). Nanambara Izy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Amin’izao androntsika izao i Satana dia miasa mafy sy miezaka mba handrendrika ny fahazavan’i Kristy. Saingy ianao dia tsy afaka ny ho eo amina toerana maizina loatra iray velively ka hoe tsy ho takatry ny fahazavan’i Jesoa Kristy raha toa ka manatona Azy ianao. Eo mandrakariva ny fahazavany.

Sary
Maraina sy antoandro ary alina

Sary nataon’i Adam Nickel

Manazava ny lalantsika Izy

Amin’ny maha Zanak’ Andriamanitra Azy, i Jesoa Kristy dia nanana voninahitra niaraka tamin’ Andriamanitra Ray “fony mbola tsy ary izao tontolo izao” (Jaona 17:5). Mpankatò tanteraka ny Rainy Izy (jereo ny Jaona 5:30) ka nankety an-tany an-tsitrapo. Navelany ny voninahiny mba ho teraka tamim-panetrentena tao amin’ny tranon’omby iray ka “nohodidinin[-dreniny] lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona” (Lioka 2:7).

Nandritra ny naha zatovo azy Izy dia nandehandeha nanao ny asan’ny Rainy (Lioka 2:49) ka nampitolagaga ireo izay nandre ny fampianarany. Tao anatin’ireo asa fanompoana nataony dia nanana hery Izy nanaovana fahagagana, nitahiana sy nanasitranana ny marary, sy nananganana tamin’ny maty, ary nony farany nanaovana ilay Sorompanavotana tsy manam-petra.

Tamin’ny zavatra rehetra nolazain’ny Mpamonjy sy nataony, indrindra fa tamin’ny sorona fanavotana nataony dia nampisehoany antsika ny lalana mankany amin’ny Raintsika any An-danitra. Ny ohatra nomeny sy ireo fampianarany dia manazava ny lalana tsy maintsy arahintsika mba hiverenana any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Zarao ny fahazavany

Raha vantany vao tsapantsika ny fahazavan’ilay Zanak’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia tokony hiezaka isika ny hizara izany fahazavana izany amin’ny hafa. Tiako ny naha misiônera ahy tany Angleterre. Tiako ny naha filohan’ny misiôna ahy tany Canada. Ary tiako ny antsoko amin’izao fotoana izao amin’ny maha mpikambana ahy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay manome ahy fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao.

Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko” (3 Nefia 18:24).

Mamirapiratra ao anatintsika ny fahazavan’ny Mpamonjy isaky ny mivavaka sy mikatsaka ny teniny ao amin’ny soratra masina isika. Mamirapiratra ny fahazavany rehefa mitia tahaka ny hitiavany, sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika, ary manao asa fanompoana tsy misy tambiny. Ny fanaovana izany no mandroaka ny haizina hiala eo amin’ny fiainantsika ka manintona ireo hafa izay mikatsaka ny fahazavany.

Sary
Zazavavy sy zazalahy mihazona jiro

Maharitra mandrakizay ny fahazavany

Eo ho anao mandrakariva ny fahazavan’i Jesoa Kristy. Tsy misy na inona na inona, tena hoe na inona na inona, afaka mandresy na mamono ny hazavany. Haharitra mandrakizay izany. I Jesoa Kristy “no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; … fahazavana tsisy fiafarana izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana” (Môzià 16:9).

Velom-pankasitrahana mandrakizay aho noho ny traikefa azoko fony aho tanora misiônera rehefa lasa nahafantatra izany manokana aho. Fantatro amim-pahatokiana kokoa izany ankehitriny noho izaho niaina ireo fitsapana sy fifaliana entin’ny fiainana.

Raha tsy fantatrao hoe aiza no haleha na hoe inona no hatao, dia banjino ilay tena fahazavan’ilay Zanak’ Andriamanitra. Raha manam-pahavononana ny hanatona Azy sy hanaraka ny fahazavany ianao dia Izy no hanazava ny lalanao.

Hamoaka printy