2023
Iza ireo Magy?
Janoary 2023


“Iza ireo Magy?,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Valiny fohy sy mivantana

Iza ireo Magy?

Sary
Iray amin’ireo Magy

Milaza amintsika ny soratra masina fa “nisy magy [tonga] avy tany atsinanana” (Matio 2:1) mba hitady ny Mpamonjy. Ny teny hoe magy dia avy amin’ny teny persa hoe magi. Na dia tsy nolazaina antsika aza hoe iza ireo lehilahy ireo dia misy zavatra vitsivitsy azontsika lazaina fa fantatsika momba azy ireo avy amin’ izay voalaza tamintsika.

Ny fiheveran’ny olona azy hatrizay dia hoe nisy magy telo satria izy ireo dia nitondra fanomezana niisa telo. Saingy tsy mazava ao amin’ny soratra masina hoe firy marina ny isan’ireo magy. Azontsika ihany koa fa izy ireo dia namangy an’i Jesoa fony Izy zazakely fa tsy hoe fony Izy zaza menavava (jereo ny Matio 2:11).

Niharihary fa ireo magy dia olo-marina sy nahafantatra ireo faminaniana momba ny fahaterahan’ny Mesia. Mety ho andian’olona avy amin’ny vahoakan’ny Tompo izy ireo. Nitady tamim-pahavitrihana ilay Zanak’ Andriamanitra izy ireo ary notarihan’ny Fanahy nankany Aminy. Nitondran’izy ireo fanomezana Izy dia niverina izy ireo mba hijoro ho vavolombelona tamin’ireo olon’izy ireo ny amin’ny fahaterahany. Izy ireo ihany koa dia nampitandremana tao anaty nofy mba tsy hilaza amin’i Heroda ny toerana nisy ilay zaza.

Ny fahatokiana sy ny fahazotoana nasehon’izy ireo dia afaka ny ho ohatra tena tsara ho antsika ao anatin’ny dia manokana ataontsika mba hanatonana kokoa ny Mpamonjy.

Hamoaka printy