2023
Ny Renirano Jordana
Janoary 2023


“Ny Renirano Jordana,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Ireo toerana ao amin’ny soratra masina

Ny Renirano Jordana

Inona no zava-nitranga teo sy ny zavatra azontsika ianarana avy amin’izany?

Aiza no misy azy?

Sary
Renirano Jordana

Sarintany avy amin’ny Getty Images

Ao avaratry ny tendrombohitra Hermona no misy ny loharano ipoiran’izany.

Mikoriana mianatsimo mankany amin’ny Ranomasin’i Galilia, ary mivoaka avy ao indray.

Mikoriana sy mifarana ao amin’ny Ranomasina maty izany.

Raha ny ankamaroan’ny halavany dia ambany ny haavon’ny ranomasina izany.

Io no renirano manan-danja indrindra ao amin’io faritra io.

Inona no nitranga teo?

I Josoa dia nitarika ny zanak’i Isiraely niampita ny Renirano Jordana tamin’ny tany maina mba hidirana ny tany nampanantenaina (jereo ny Josoa 3–4).

Sary
I Jaona Mpanao Batisa nanao batisa an’i Jesoa Kristy

I Jesoa Kristy dia nataon’i Jaona Mpanao Batisa batisa tao amin’ny Renirano Jordana (jereo ny Matio 3).

Hamoaka printy