2023
Saino amin’ny fomba selestialy!
Nôvambra 2023


Fivoriana alahady tolakandro

Saino amin’ny fomba selestialy!

Sombin-dahatsoratra

Sary
tempoly

Hisintona ny endrika PDF

Nianatra aho fa ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika dia mahavariana, fa tena manan-danja ny zavatra ataontsika eto amin’ity fiainana ity, ary ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no mahatonga ny drafitry ny Raintsika ho azo tanterahina. …

… Androany, mba hanampiana anareo ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana sesehena nomanin’ny Ray any An-danitra ho anareo, dia manasa anareo aho mba hanaiky hampiasa ny “fisainana amin’ny fomba selestialy!” …

Ka noho izany ry rahalahiko sy anabaviko malala, ahoana sy aiza sy miaraka amin’ iza no tiana reo hiainana mandrakizay? Mila misafidy ianareo.

Rehefa misafidy ianareo dia manasa anareo aho hijery mihoatra lavitra ny toe-javatra iainana ankehitriny dia amin’ny fomba fijery mandrakizay. Ataovy lohalaharana i Jesoa Kristy, satria miankina amin’ny finonareo Azy sy ny Sorompanavotany ny ho fiainanareo mandrakizay. Miankina amin’ny fankatoavanareo ny lalàny ihany koa izany. …

Rehefa mifantoka amin’ny fisainana amin’ny fomba selestialy ianao dia aza atao mahagaga ny hiatrehanao fanoherana. …

Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao, dia hiova tsikelikely ny fonao. Te hivavaka matetika kokoa sy amin-kitsim-po kokoa ianao. …

Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao dia ataovy izay hisorohana izay mety ho zavatra manaisotra aminao ny fahafahanao misafidy. …

Ny fisainana amin’ny fomba selestialy dia hanampy anao ihany koa hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. …

Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao dia ho amin’ny fahatakarana vaovao no hahitanao ny fitsapana sy ny fanoherana. …

Rehefa mieritreritra amin’ny fomba selestialy ianao dia hitombo ny finoanao. …

Mitaky finoana ny fandoavana fahafolonkarena, ary izany dia manorina koa ny finoana an’ Andriamanitra sy ny Zanany malalany.

Manorina finoana ny fisafidianana ny hiaina fiainana mendri-piderana ao anatina tontolo hanjakazakan’ny toe-tsaina tia firaisana ara-nofo sy pôlitika.

Manorina finoana ny fankanesana misimisy kokoa ao amin’ny tempoly.

Hamoaka printy