2023
Ny fahefan’ny famehezana
Nôvambra 2023


Ny fahefan’ny famehezana

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Matetika isika no mihevitra fa ny fahefana hamehy dia tsy mihatra raha tsy amin’ny ôrdônansy sasantsasany any amin’ny tempoly, saingy io fahefana io dia ilaina mba hampanan-kery izay rehetra mety ho ôrdônansy, ka mamatotra mihoatra ny fahafatesana. …

Ny fahefana mampanan-kery omen’ny fahefan’ny famehezana an’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia mihatra koa, mazava ho azy, amin’ireo ôrdônansy isoloana tena tanterahina any amin’ny toerana notendren’ny Tompo, dia ny tempoliny izany. … Io fahefan’ny famehezana io dia endrika tonga lafatra isehoan’ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny famindram-pony ary ny fitiavany.

Rehefa iharan’ny fahefan’ny famehezana ny fontsika dia mitodika ho azy amin’ireo izay lasana talohantsika. Ny fanangonana amin’ny andro farany ao amin’ny fanekempihavanana dia mihatra koa amin’ireo any ampitan’ny voaly. …

Ny endriny ambony sy masina indrindra hisehoan’ny fahefan’ny famehezana dia eo amin’ny fampitambarana mandrakizay ny lehilahy iray sy vehivavy iray ao anatin’ny fanambadiana sy ny fampifandraisana ny zanak’olombelona amin’ireo taranaka rehetra mifandimby. …

Hitantsika hoe nahoana no mahatonga “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray [ho] tendrin’ Andriamanitra ary ny fianakaviana [ho] fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.” [“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”, Médiathèque de L’Evangile]. Etsy ankilany nefa dia miaiky isika fa amin’izao ankehitriny tsy tonga lafatra izao, dia tsy izay no izy, ary tsy azo heverina ho tanteraka mihitsy aza izany ho an’ny sasany. Saingy manana fanantenana ao amin’i Kristy isika. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena misy ny hery sy fahefan’ny famehezana naverina tamin’ny laoniny teto an-tany tamin’ny alalan’i Joseph Smith, fa izay fehezina amin’io fahefana io eto an-tany dia voafehy tokoa any an-danitra.

Hamoaka printy