2023
Ny fitenin’ny fitiavana no ampiasaina ato
Nôvambra 2023


Ny fitenin’ny fitiavana no ampiasaina ato

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

‘Ndeha isika anio hiresaka momba ny fitenin’ny fitiavana ara-pilazantsara telo. …

Voalohany, ny fiteny ara-pilazantsara fanehoana hatsaram-panahy sy fanajana. …

Amin’ny hatsaram-panahy sy fanehoana fanajana no ifantohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa amin’i Jesoa Kristy. …

… Aoka isika hiresaka arahim-pankasitrahana feno hatsaram-panahy sy fanajana mandrakariva noho ny asa sy voninahitr’ Andriamanitra ary ny fahamendrehan’i Jesoa Kristy sy ny famindram-pony, ary ny fahasoavany sy ny sorona fanavotana nataony.

Faharoa, ny fiteny ara-pilazantsaran’ny fanompoana sy ny fahafoizan-tena. …

… Ny antso mba hanompo ny Tompo sy mba hifanompo ao amin’ny Fiangonana dia manome fahafahana hitombo fangorahana sy fahaiza-manao ary fanetrentena. …

… Mikolokolo ny fifandraisana sy miady amin’ny fitokana-monina isika rehefa manompo amin’ny fontsika tsy tapaka any amin’ny tokantranontsika sy ny manodidina antsika tsirairay avy. …

… Ny fiaraha-mientana tsara omana dia manampy ny rehetra hahatsapa ho omen-danja, sy tsy voailika, ary voasa handray anjara asa tena ilaina. …

… Ny finoana sy ny fanompoana ary ny fahafoizan-tena dia manampy antsika tsy hifantoka firy amin’ny tenantsika fa hifantoka kokoa amin’ny Mpamonjy kosa. …

Ary izany no mitondra antsika ho amin’ilay fiteny ara-pilazantsara fanehoana fahatsapana ho manan-toerana araka ny fanekempihavanana. …

Manome fomba tsara kokoa i Jesoa Kristy—dia ireo fifandraisana mifototra amin’ny fanekempihavanana masina, izay mahery kokoa noho ny famatoran’ny fahafatesana. Ny fahatsapana ho manan-toerana araka ny fanekempihavana amin’ Andriamanitra sy eo amintsika samy isika dia afaka manasitrana sy manamasina ireo fifandraisana izay ankamamiantsika indrindra. Raha ny tena marina dia mahafantatra antsika tsara kokoa Izy sy tia antsika kokoa noho ny fahafantarantsika sy ny fitiavantsika ny tenantsika. Raha ny tena marina, rehefa ny tenantsika manontolo no manao fanekempihavanana, dia afaka ho tsara mihoatra noho izay misy antsika amin’izao isika. Ny hery sy fahendren’ Andriamanitra dia afaka manome antsika izay fanomezam-pahasoavana tsara rehetra, amin’ny fotoany sy ny fombany.

Hamoaka printy