2023
Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo
Nôvambra 2023


Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Anio aho dia hiresaka amin’ireo zokiolona maro efa be traikefa ato amin’ny Fiangonana izay afaka mirotsaka ho misiônera. Mila anareo ny Tompo. …

Raha nitsidika misiôna nanerana izao tontolo izao aho, dia nahita ny asa fanompoana tena mahavariana ataon’ny tafika misiônera zokiolona ato amintsika. Tena miharihary fa sambatra izy ireo ao anatin’ny fanatanterahana “ny sitrapon’ny Tompo” ary manatontosa ny “raharahan’ny Tompo.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:29]. …

Efa niantso mpivady maro mba hanompo aho ary nahita ny Fahazavan’i Kristy namirapiratra teo amin’ny tarehin’izy ireo. Nanazava izy ireo fa rehefa niverina dia lasa nanakaiky kokoa ny Tompo sy nifanakaiky kokoa amin’izy samy izy, nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo nirotsaka tamin’izy ireo, ary nahafantatra fa ny zavatra nataon’izy ireo dia tena nitondra fiovana ho amin’ny tsara. Iza moa no tsy mba maniry izany? …

Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy, dia mangataka anareo aho mba hirotsaka amin’ny asa misiônera amin’ny fanangonana an’i Isiraely, ary ny hiverina hanompo indray mihitsy aza angamba. …

Mampanantena anareo koa aho fa rehefa manompo ianareo dia hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo ianareo, hahafantatra Azy ianareo, ary hahafantatra anareo Izy, ary “akory ny ho halehiben’ny fifalianareo.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15]. Ny asa fanompoana feno fanolorantena ataonareo amin’i Jesoa Kristy dia hanentana sy hitahy ny fianakavianareo sy ny zafikelinareo ary ny zafiafinareo. “Hampitomboina … anie … ny fiadanana ary ny fitiavana” [Joda1:2] eo amin’ny fiainan’izy ireo mandritra ny taona maro ho avy.

Hamoaka printy