2023
I Jesoa Kristy ilay harena
Nôvambra 2023


I Jesoa Kristy ilay harena

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy

Hisintona ny endrika PDF

Ambonin’izao rehetra izao, nataon’i Kelsy sy i Jesse Lightweave

Jakôba, izay mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia niresaka mikasika ny fanamaivanana na ny tsy fanomezana lanja ny zavatra eo ambany maso ho toy ny hoe “fibanjinana ny any ivelan’ny tanjona” [Jakoba 4:14]. …

… Mila mitandrina isika eo anatrehan’izany fironana izany fandrao tsy hahita an’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika ary tsy hahafantatra ireo fitahiana maro atolony antsika. Ilaintsika Izy. … Raha toa isika diso hevitra mieritreritra fa mila zavatra mihoatra noho ny zavatra atolony, dia mandà sy manamaivana ny halehiben’ny sehatra sahaniny sy ny hery azony entina eo amin’ny fiainantsika. … I Jesoa Kristy no harentsika.

Nomen’ny Mpamonjy fomba maro isika ahafahana mifantoka Aminy amim-piniavana, anisan’izany ny fahafahana mibebaka isan’andro. Hamaivanintsika indraindray ny halehiben’io fitahiana natolotra io. …

… Afaka mandray ireo fitahiana sarobidin’ny fanasan’ny Tompo isika isaky ny manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo. … Ny Fanahy Masina dia manome antsika ilay heriny manamasina mba hahafahantsika mihazona lalandava ny famelana ny fahotantsika isan-kerinandro. …

Rehefa manana ny Fanahy Masina isika, dia hoentanim-panahy sy hotarihina hanao sy hitandrina fanekempihavanana hafa, toy ireo ataontsika any amin’ny tempoly. Manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra ny fanaovana izany. … Ny fanolorantenantsika handeha ho any amin’ny tempoly dia tokony ho farafaharatsiny mafy orina mitovy ihany rehefa hoe akaiky ny tempoly sy rehefa hoe lavitra.

… Rehefa miantehitra amin’ny mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany amin’izao fotoana izao isika ka mandray andraikitra eo anatrehan’ny toroheviny, dia hahita fifaliana, ary hositrana ihany koa. Tsy mila mitady any an-kafa intsony isika.

Hamoaka printy