Miara-mandeha amin’i Kristy ao anaty fifandraisana araka ny fanekempihavanana
Sombin-dahatsoratra
Hamaly antsika tsirairay ny Tompo amin’ny andron’ny fahoriantsika raha toa isika misafidy ny hamatotra ny fiainantsika amin’ny Azy. Nampanantena Izy ny handeha hiaraka amintsika eo amin’ilay lalana.
Antsointsika hoe mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izany, lalana miainga eo amin’ny fanekempihavanan’ny batisa ary mitondra mankany amin’ny fanekempihavanana lalina kokoa izay ataontsika any amin’ny tempoly. … Ny fanekempihavanana dia tsy resaka fifanarahana fotsiny ihany, na dia manan-danja aza izany. Resaka fifandraisana izy io. …
Ny iraka nampanaovina Azy dia nampidina ambany. I Jesoa Kristy dia hanatona antsika amin’izay toerana misy antsika sy amin’izay toetra ananantsika. Izany no antony nisian’ny saha sy ny hazofijaliana ary ny fasana. Nalefa ny Mpamonjy mba hanampy antsika handresy. Kanefa ny mijanona eo amin’ny toerana misy antsika dia tsy hitondra ilay fanafahana katsahintsika. … Ny iraka nampanaovina Azy dia nampiakatra ambony ihany koa. Hiasa ao anatintsika Izy mba hampiakatra antsika ho eo amin’ny misy Azy ary ao anatin’izany dingana izany dia hanome fahafahana antsika ho tonga tahaka Azy. Tonga mba hampisondrotra antsika i Jesoa Kristy. Te hanampy antsika hiova izy. Izany no antony hisian’ny tempoly. Mila mahatsiaro isika fa tsy ny lalana irery ihany no hampisandratra antsika fa ilay mpiara-dia amintsika dia ny Mpamonjy antsika. Ary izany no antony hisian’ny fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana. …
… Atombohy eo amin’ny misy anao amin’izao. Aza avela hanakantsakana anao ny toe-javatra misy anao. Tsarovy, tsy manan-danja ny hafainganam-pandeha sy ny laharana misy anao eo amin’ilay lalana raha oharina amin’ny fivoarana ataonao. …
Soa ihany fa miara-mandeha amin’io lalana io isika, mihiaka fampaherezana eny an-dalana. Rehefa mizara ireo traikefa manokana niainanantsika niaraka tamin’i Kristy isika dia manorim-paka ny fanolorantena manokana.