2023
Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy
Nôvambra 2023


Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra izay tena tia antsika isika ary niaina toy ny fianakaviana teo anatrehan’ Andriamanitra isika talohan’ny nahaterahantsika teto amin’ity tany ity. Mampianatra ihany koa ny filazantsara fa isika rehetra dia nohariana tahaka ny endrik’ Andriamanitra sy araka ny tarehiny. Araka izany dia mitovy isika eo anatrehany. …

Noho isika mpianatr’i Kristy dia asaina isika hampitombo ny finoantsika sy ny fitiavantsika ny maha mpirahalahy sy mpianadahy ara-panahy antsika amin’ny alalan’ny fifamihinan’ny fontsika marina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana, na dia eo aza ny fahasamihafantsika, ka hampitombo ny fahafahantsika manome vahana ny fanajana ny hasin’ny zanakalahy sy ny zanakavavin’ Andriamanitra rehetra. …

… Tsy misy toerana ho an’ny fisainana sy ny fihetsika manavakavaka ao amin’ny fiarahamonin’ny Olomasina. …

Enga anie isika hampifanaraka ny fontsika sy ny saintsika amin’ilay fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona fa mitovy avokoa isika rehetra eo anatrehan’ Andriamanitra, fa samy nomena feno fahafahana ho tonga ilay hahatongavantsika mandrakizay mitovy ihany sy lova mandrakizay mitovy ihany. Enga anie isika hisitraka kokoa ilay rohim-pihavanana ara-panahy misy eo amintsika sy hanome lanja ireo toetra tsara samy hafa sy ireo fanomezam-pahasoavana samy hafa ananantsika rehetra. …

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa manohy mikoriana amin’ izany fomba izany isika mandritra ny fiainantsika eto an-tany, dia hanomboka ny andro vaovao, ka hazavana vaovao no hanazava ny fiainantsika ary hampamiratra lala-misokatra mahatalanjona maro hanisiana lanja kokoa ny fahasamihafana noharin’ Andriamanitra eo anivon’ireo zanany ary hahazoana fitahiana kokoa avy amin’izany. Azo antoka fa ho lasa fitaovana eo an-tanany isika hanomezana vahana ny fanajana sy ny hasina eo anivon’ireo zanakalahiny sy zanakavaviny rehetra.

Hamoaka printy