2023
Ilay adala sy ny lalana miverina mody
Nôvambra 2023


Ilay adala sy ny lalana miverina mody

Sombin-dahatsoratra

Sary
alt text

Hisintona ny endrika PDF

Ny Fiverenan’ilay Zanaka Adala, nataon’i Richard Burde

Iza amintsika no tsy mbola niala tamin’ny lalan’ny fahamasinana, ka nieritreritra adaladala fa afaka mahita fahasambarana bebe kokoa amin’ny fanarahana ny lalantsika manokana izay be fitiavan-tena?

Iza amintsika no tsy mbola nahatsapa fanetrentena, torotoro fo, ary naniry mafy hahazo famelan-keloka sy famindram-po?

Mety efa nanontany tena ny sasany hoe: “Mbola azo atao ve ny miverina? Homen’ireo namako taloha anaram-bositra sy holaviny ary halavirany ve aho? Aleo ve mijanona ho very eto fotsiny? Ahoana no ho fihetsik’ Andriamanitra raha toa ka miezaka miverina aho?”

[Ilay] fanoharana [momba ny zanaka adala] dia manome antsika ny valiny.

Hihazakazaka hanatona antsika ny Raintsika any An-danitra, feno fitiavana sy fangorahana ny fony. …

Hifaly amin’ny fiverenantsika ny lanitra. …

Na dia niala lavitra ny Mpamonjy sy ny Fiangonany aza ianao noho ny safidy natao, dia mijoro eo amin’ilay lalana miverina mody ilay Mpanasitrana Lehibe, mandray anao. Ary izahay, amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, dia mikatsaka ny hanaraka ny ohatra nasehony sy handray anareo amin’ny maha-rahalahy sy anabavinay anareo, amin’ny maha-namanay anao. Mifaly sy miara-mifaly aminao izahay. …

Tsy milaza akory aho hoe mora ny miverina. Afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho. Raha ny marina dia mety izany no safidy henjana indrindra hataonao.

Mijoro ho vavolombelona anefa aho fa rehefa manapa-kevitra ny hiverina sy handeha amin’ny lalan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ianareo, dia hiditra ao amin’ny fiainanareo ny heriny ary hanova izany.

Hamoaka printy