2023
Fanjakam-boninahitra
Nôvambra 2023


Fanjakam-boninahitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ny fotopampianarana nambara an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra fa ireo zanak’ Andriamanitra rehetra—izay voafetra loatra ireo tranga maningana ka tsy azo heverina eto—dia handova fanjakam-boninahitra iray amin’ireo telo any amin’ny farany any, ary na ny kely indrindra amin’izany ary dia “manoatra ny fahatakaran’ny saina rehetra.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:89]. …

Fotopampianarana sy fomba fanao tsy manam-paharoa hafa an’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ireo didy sy fanekempihavanana nambara izay manolotra ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny tombontsoa masina ho mendrika ny hahazo ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy. Io tanjona ambony indrindra io—ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy—no ifantohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. …

 … Ao amin’ny voninahitra “selestialy” dia misy ambaratonga telo, ka ny ambony indrindra dia ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy. …

Ny drafitr’ Andriamanitra, miorina eo amin’ny fahamarinana mandrakizay, dia mitaky fa ny fisandratana dia tsy afaka ny ho azo raha tsy amin’ny alalan’ny fahatokiana tamin’ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ihany ao amin’ny tempoly masina, fanambadiana izay tsy maintsy ho afaka isitrahan’ny mahatoky rehetra amin’ny fotoana iray. …

Ny Fitsarana farany dia tsy fanombatombanana ny fitambaran’ny asa tsara sy ratsy fotsiny—ny zavatra izay vitantsika Izany dia mifototra amin’ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika Mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny dingan’ny fiovam-po. …

Noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia afaka mibebaka sy miverina amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay irin’ny Raintsika any An-danitra ho antsika isika rehefa lavo amin’izao fiainana izao.

Hamoaka printy