2023
Ny fahafolonkarena: Manokatra ny varavaran’ny lanitra
Nôvambra 2023


Ny fahafolonkarena: Manokatra ny varavaran’ny lanitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Izay rehetra ananantsika sy izay rehetra maha-isika antsika dia avy amin’ Andriamanitra. Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia mizara an-tsitrapo amin’ireo manodidina antsika isika.

Amin’izay rehetra omen’ny Tompo antsika dia nangataka antsika Izy mba hamerina any Aminy sy ny fanjakany eto an-tany ny 10 isan-jaton’ny tombony azontsika. Nampanantena antsika Izy fa rehefa marin-toetra amin’ny fahafolonkarenantsika isika dia “hovoha[ny] ny varavaran’ny lanitra … ka [hampidina] fitahiana manana amby ampy ho [antsika]” Izy [Malakia 3:10]. Nampanantena antsika Izy fa hiaro antsika amin’ny ratsy. …

Mivoha amin’ny fomba maro ny varavaran’ny lanitra. Ny sasany ara-nofo, fa maro kosa no ara-panahy. Ny sasany dia manjavozavo ary mora hadinoina. Matokia ny fotoan’ny Tompo; tsy maintsy tonga ny fitahiana. …

… Izao tontolo izao rehefa miresaka momba ny fahafolonkarena dia miresaka ny volantsika, fa ny lalàna masin’ny fahafolonkarena anefa voalohany indrindra dia mahakasika ny finoantsika. Ny fahamarinan-toetra amin’ny fahafolonkarenantsika dia fomba iray hanehoantsika ny fahavononantsika hametraka ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika, mihoatra noho ny fiahiantsika ny tenantsika sy ny tombontsoantsika manokana. Mampanantena anareo aho fa rehefa matoky ny Tompo ianareo dia ho avy ny fitahian’ny lanitra. …

Ny habetsahana fanampiny avy amin’ny Tompo izay vokatry ny fahafolonkarena feno fahalalahan-tanana avy aminareo dia nampatanjaka ny tahirim-bolan’ny Fiangonana, ka nanome fahafahana hampandroso ny asan’ny Tompo mihoatra noho izay rehetra efa niainantsika. Fantatry ny Tompo ny zava-drehetra, ary amin’ny fotoany dia ho hitantsika ny fahatanterahan’ny fikasany masina.

Hamoaka printy