2023
Hahatanty ny andro ao amin’i Kristy
Nôvambra 2023


Hahatanty ny andro ao amin’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
alt text

Hisintona ny endrika PDF

Nianatra avy tamin’ny zavatra niainako manokana aho fa ny fiomanana ara-panahy ho amin’ny fiavian’ny Tompo dia tsy vitan’ny hoe manan-danja fa izany koa no hany fomba hahitantsika fiadanana sy fahasambarana marina.

Nangatsiatsiaka ny andro tamin’izay fararano izay. Tamin’izany no nandrenesako voalohany ireo teny hoe: “Voan’ny homamiadana ianao.” …

Noho i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, raha maty aho dia hampiononina sy hankaherezina ny ankohonako ary ho tafaverina amin’ny laoniny indray andro any. Raha velona aho dia hahazo ilay hery lehibe indrindra eto amin’ity tany ity mba hanampy hanavotra sy hanohana ary hanasitrana ahy. Amin’ny farany dia hilamina ny zava-drehetra noho i Jesoa Kristy. …

Ataon’i Jesoa Kristy izay hahafahantsika “hahatanty ny andro.” Ny hoe mahatanty ny andro dia tsy midika hoe mampitombo ny isan’ny zavatra mila hataontsika. Eritrereto ny fanita-jery. Ny hany tanjony dia ny manitatra ny haben’ny zavatra jerena fotsiny. Afaka manangona sy mamondrona hazavana koa izany mba hampaherivaika kokoa ilay hazavana. Mila tsorintsika sy avondrontsika ireo ezaka atontsika ka ho mpanangona ny Fahazavan’i Jesoa Kristy isika. Mila mahazo traikefa masina sy handraisana fanambarana bebe kokoa isika. …

Ny fiainana mandrakizay dia fifaliana mandrakizay. Misy fifaliana eto amin’ity fiainana ity, izao ankehitriny izao—tsy hoe na dia eo aza ireo fanamby amin’izao androntsika izao, fa satria noho ny fanampian’ny Tompo mba hianatra avy amin’izy ireny ka handresy azy ireny amin’ny farany —ary misy fifaliana tsy hita pesipesenina any amin’ny fiainana ho avy. Tsy hisy intsony ny tomany, ho sitrana ireo fo torotoro, ny efa very ho hita indray, ho voavaha ireo fanahiana, ho tafaverina amin’ny laoniny ny fianakaviana, ary izay rehetra ananan’ny Ray dia homena antsika.

Hamoaka printy