2023
Aoka ianareo ho mpanara-dia bonaika an’i Kristy
Nôvambra 2023


Aoka ianareo ho mpanara-dia bonaika an’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ho antsika ato amin’ny Fiangonana izay miezaka ny ho “mpanara-dia bonaika an’i Kristy dia misy andro mamiratra miandry antsika rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjintsika isika. Zavatra mandrafitra ny fiainana an-tany ny fitsapana ary miseho eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra manerana izao tontolo izao. …

Matetika ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia anontaniana hoe: “Nahoana no avelan’ Andriamanitra hitranga ireo zavatra ratsy, indrindra fa amin’ny olona tsara?” …

Tsy fantatray ny valin’ny zavatra rehetra, saingy mahafantatra fitsipika manan-danja izahay izay hanome fahafahana antsika hiatrika ireo fitsapana sy fahoriana miaraka amin’ny finoana sy fahatokiana fa misy hoavy mamirapiratra novolavolaina ho antsika tsirairay any. …

Tsapantsika fa ny ankamaroantsika dia efa niaina olana ara-batana sy ara-panahy avokoa teo amin’ny fiainantsika, ary nampivalaketraka ny sasany tamin’izany. Ilay Ray any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany, izay lohan’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny, dia nanome antsika soratra masina sy mpaminany mba hanomana antsika sy hampitandrina antsika mikasika ireo loza ary hanome antsika tari-dalana mba hanomanana sy hiarovana antsika. Ny torolalana sasany dia mitaky fandraisana andraikitra eo no ho eo ihany ary ny sasany manome fiarovana mandritra ny taona maro amin’ny ho avy. …

… Ny fiainana feno fiderana, sy mozika ary fanateran-tsaotra dia tahina amin’ny fomba miavaka. Ny fananana toetra ravoravo sy ny fianterahana amin’ny fanampiana avy any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka dia fomba iray mahery vaika mba hahatongavana ho mpanara-dia bonaika an’i Kristy. Ny fiezahana lalandava mba hanana fifaliana dia manampy amin’ny fisorohana ny fitanondrehan’ny fanahy. …

Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy dia mijoro ho vavolombelona aho fa ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” dia hahita fiadanana manokana eo amin’ity fiainana ity sy hiaina fihaonana feno voninahitra any an-danitra.

Hamoaka printy