2023
Bitsiky ny Fanahy
Nôvambra 2023


Bitsiky ny Fanahy

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Manasa antsika ny Tompo mba hazoto hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavana tsara indrindra, dia ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izany. Manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Izy mba hitahiana antsika sy ho ampiasaintsika mba hitahiana ny hafa. …

… Ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia mitaky fampiharana ara-panahy. …

Isan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sitrahan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fananana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva. …

Mamelà ahy hanolotra fitsipika ho torolalana miisa efatra izay afaka hanampy anareo amin’ny fanasana sy ny famantarana ny bitsiky ny Fanahy.

Ny voalohany dia ny mitsangana eo amin’ny toerana masina. …

Faharoa, miaraha amin’ny olona masina. …

Fahatelo, mijoroa ho vavolombelon’ny fahamarinana masina matetika araka izay vitanao. …

Ny fitsipika farany dia ny mihaino ny Fanahy Masina. …

Rehefa mieritreritra ireo fitsipika ireo ianao mba hanasana sy hamantarana ny Fanahy, dia eritrereto ireto torolalana mifono fampitandremana ireto.

Hamarino ireo fahatsapana ara-panahy voarainao.

Alaivo antoka fa ireo fahatsapana azonao dia mifanaraka tsara amin’ny asa nampiandraiketina anao.

Tsy azo terena ny zavatra ara-panahy.

Ampiasao ny fahaizanao mitsara tsara indrindra.

Faranako amin’ny fanasana iray izay ho an’ny zatovo indrindra indrindra! Maro aminareo no manomboka ny tontolo andronareo amin’ny fijoroana eo anoloan’ny fitaratra. Rahampitso, amin’ity herinandro ity, amin’ity taona ity, dia miatoa kely foana eo am-pijerenareo ny tenanareo eo amin’ny fitaratra. Eritrereto ny tenanareo, na teneno mafy raha tianareo hoe: “Oay, jereo anie aho e! Tena mahavariana aho! Zanak’ Andriamanitra aho! Fantany aho! Tiany aho! Manankarem-pahasoavana aho—fahasoavan’ny fananana ny Fanahy Masina mba ho namako mandrakariva!”

Hamoaka printy