2023
Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah
Nôvambra 2023


Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ry rahalahy sy anabavy malala, mijoro ho vavolombelona aminareo aho amin’izao maraina izao fa tena voatahy tokoa isika mahafantatra ny zavatra fantatsika noho ny fananantsika an’i Joseph Smith, ilay mpaminanin’ity fotoampitantanana farany ity.

Mahatakatra ny tanjon’ny fiainana isika sy hoe iza isika.

Fantatsika hoe iza Andriamanitra, fantatsika hoe iza ny Mpamonjy, noho ny fananantsika an’i Joseph, izay nandeha tao amin’ilay alakely tamin’izy zatovolahy, nikatsaka ny famelana ny fahotany.

Inoako fa anisan’ny zavatra be voninahitra indrindra sy mahatalanjona indrindra izay mety ho fantatry ny olona iray ny hoe naneho ny Tenany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo amin’izao andro farany izao ary i Joseph dia nantsoina mba hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy.

Manana ny Bokin’i Môrmôna isika. Tena fanomezana mahagaga sy mahatalanjona ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Bokin’i Môrmôna. Teny vavolombelona iray hafa, testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izy io. Manana azy io isika satria i Joseph Smith dia nanana ny fahamendrehana handeha haka ireo takelaka, ary nahazo fitaomam-panahy avy tany an-danitra mba handika azy ireo tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra ary nanome ilay boky ho an’izao tontolo izao. …

… Isika dia eo an-dalam-piezahana hiomana, tsikelikely isan’andro, mba ho tsara kokoa, ho tsara fanahy kokoa, ho vonona kokoa amin’ilay andro, izay azo antoka fa ho tonga, izay hiverenantsika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy