2023
Mahita ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny fomba fijery ankapobeny
Nôvambra 2023


Mahita ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny fomba fijery ankapobeny

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Azo atao ve ny manomboka mahita tahaka ny fahitan’ Andriamanitra na dia miaina eto ambonin’ity planeta ity aza—ny mahatsapa an’io fahatsapana ankapobeny mahatalanjona io? Mino aho fa afaka mijery ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amim-panantenana sy fifaliana isika, amin’ny alalan’ny mason’ny finoana. …

… Noho i Kristy dia ho voavaha avokoa ny zava-drehetra. Ny zavatra rehetra mampanahy anao sy anao ary anao —dia hilamina avokoa! Ary ireo izay mijery amin’ny mason’ny finoana dia afaka mahatsapa fa hilamina ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao. …

Indraindray dia fangorahana fa tsy torohevitra no ilaintsika; fihainoana fa tsy ny fananarana. …

Andeha hitazan-davitra mba hijerena ny fifandraisan’ny fianakaviana ho toy ny fahafahana tonga lafatra hampianatra antsika ireo lesona tiantsika hianarana eto.

Ndeha ho ekentsika fa ao anatin’ny tontolo lavo, dia tsy misy fomba iray hahatongavana ho vady sy ray aman-dreny sy zanakalahy na zanakavavy sy zafikely sy mpanoro hevitra, na namana tonga lafatra, fa fomba an-tapitrisa hahatongavana ho olona tsara. …

Amin’izao andro farany izao, ny asantsika lehibe indrindra angamba dia izay ataontsika miaraka amin’ireo olon-tiantsika, izay olona tsara miaina anaty tontolo ratsy. Ny fanantenantsika dia manova ny fomba fahitan’izy ireo ny tenany sy ny hoe iza marina moa izy ireo. Ary amin’ny alalan’io fomba fijery ombam-pitiavana io dia hahita izay olona azony ha hatongavana izy ireo. …

Ary satria zanaky ny fanekempihavanana isika dia afaka mangataka izany fahatsapana feno fanantenana izany izao! …

Ny fitiavana no zavatra manova fihetseham-po. Io no famporisihana madio indrindra amin’ny rehetra, ary ny olon-kafa dia afaka mahatsapa izany. … Tsy isalasalana fa ireo izay manam-pitiavana indrindra sy maharitra amin’izany no mandresy! …

Afaka manao izany ve izaho sy ianao? Vitantsika izany! Afaka miaritra sy manantena isika!

Hamoaka printy