2023
Ilay namantsika lalandava
Nôvambra 2023


Ilay namantsika lalandava

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy

Hisintona ny endrika PDF

The Only One [Ilay hany tokana], nataon’i Malory Fiso

Mila manana ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava isika, ary hila izany ianareo. Amin’izao dia maniry izany isika saingy fantatsika avy tamin’ny zavatra niainantsika fa tsy mora ny manatanteraka izany. Mieritreritra sy milaza ary manao zavatra izay mety manafintohina ny Fanahy isika tsirairay avy eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Rehetra mitranga izany, satria hitranga izany, dia mety hahatsapa ny tsy fankatoavan’ny Tompo isika. Ary mety halaim-panahy isika ny hahatsapa fa irery. …

Raha sarotra aminao ny mahatsapa ny Fanahy Masina dia afaka misaintsaina amim-pahendrena ianao raha toa ka misy zavatra izay tokony hibebahanao ary hahazoanao famelan-keloka. Afaka mivavaka am-pinoana ianao mba hahafantatra izay tokony hatao mba ho voadio ary dia ho mendrika kokoa ny hahazo ny Fanahy Masina ho namanao lalandava.

Raha maniry ny hahazo ny Fanahy Masina ho namanao ianao, dia mila maniry izany noho ny antony marina. Mila hoe ireo tanjon’ny Tompo no tanjonao. Raha feno fitiavan-tena loatra ireo anton-javatra manosika anao, dia ho hitanao fa sarotra ny mandray ny bitsiky ny Fanahy.

Ny fanalahidiny ho ahy sy ho anao dia ny maniry izay irian’ny Mpamonjy. Tokony ho avy amin’ny fitiavana madion’i Kristy ny zavatra mampazoto antsika. …

… Alefa ny Fanahy Masina ho any amin’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy mahatoky ao amin’ny fanekempihavanana. Ankehitriny dia, hiavaka ny zavatra hiainanareo, ary ny Fanahy dia hitarika anareo amin’ny fomba izay mety indrindra amin’ny finoanareo sy ny fahafahanareo handray fanambarana ho anareo sy ho an’ireo izay tianareo sy tompoinareo. Mivavaka amin’ny foko manontolo aho mba hitomboan’ny fahatokianareo.

Hamoaka printy