2023
Mby amin’ny lalan’ny adidiny
Nôvambra 2023


Mby amin’ny lalan’ny adidiny

Sombin-dahatsoratra

Sary
alt text

Hisintona ny endrika PDF

Feno fankasitrahana aho noho ireo mpikamban’ny Fiangonana an-tapitrisany izay manatona an’i Kristy ankehitriny ary mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. … Ny finoanareo matanjaka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy Tompo, ary ny fiainanareo tsy mizahozaho fa feno fandavantena dia mitaona ahy ho tonga olona sy mpianatra tsara kokoa.

Tiako ianareo. Mahatalanjona ahy ianareo. Misaotra anareo aho. Ary midera anareo aho.

Filazana iray nataon’i Samoela ilay Lamanita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no mamintina tsara ny fahatsapana ananako momba anareo.

“[jereo] fa ny ankamaroany dia mby amin’ny lalan’ny adidiny … ary milofo izy miaraka amin’ny fahazotoana tsy mety sasatra mba hahazoany mitondra ny sisa tavela amin’ny rahalahiny ho amin’ny fahalalana ny marina.”[Helamàna 15:5-6; nasiana fanamafisana]. …

Mitia sy manompo ianareo, mihaino sy mianatra, mikarakara sy mampionona, ary mampianatra sy mijoro ho vavolombelona amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Mifady hanina sy mivavaka matetika ianareo, mihamahery hatrany ao amin’ny fietren-tena ary mihamafy hatrany ao amin’ny finoana an’i Kristy, “hany ka heniky ny fifaliana sy ny fiononana ny fanahin[areo], eny, na dia hatramin’ny fanadiovana sy ny fanamasinana ny fon[areo] aza, izay fanamasinana tonga noho ny nanoloran[areo] ny fon[areo] ho an’ Andriamanitra.” [Helamàna 3:35].

… Ianareo izay ankehitriny mibosesika mandroso efa mby amin’ny lalan’ny adidinareo no tanjaky ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny. Ary araka ny nampanantenain’ny Tompo, “ireo fiandrianana sy fizakana ary fanapahana sy hery rehetra dia hambara ary hatolotra ireo rehetra izay efa niaritra tamin-kerim-po noho ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” [Fotompampianarana sy fanekempihavanana 131:29].

Hamoaka printy