Ho zatovo mahery!
Katsaho ilay fahazavana!
Janoary 2024


“Katsaho ny fahazavana,” Ho zatovo mahery! Jan. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna; Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Katsaho ilay fahazavana!

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra fahazavana sy hery ho eo amin’ny fiainanao mba hitarika anao ao anatin’ireo fotoana feno olana sy mampientam-po miandry anao.

Sary
zatovovavy ao anaty soratra masina

Sary nataon’i Gabriel Cracolici

Fony aho zazalahy dia tiako ny tantaran’ny rahalahin’i Jareda ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka nahita ny zavatra niainany toy ny horonan-tsary tao an-tsaiko aho. Saika toy ireny hoe eo am-pitrangana ireny mihitsy ilay izy rehefa mamaky izany aho.

Nodidian’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda mba hanamboatra sambo mba hahafahan’izy sy ny fianakaviany mita ny ranomasimbe ho any amin’ny “tany nampanantenaina” (Etera 2:9). Saingy maizina ny tao anatin’ireo sambo. Tsy te handeha tao anatin’ny haizina ny rahalahin’i Jareda ka dia nikatsaka ny fanampian’ny Tompo. Nanontany azy ny Tompo hoe: “Inona no tianao hataoko?” (Etera 2:23).

Tamim-pinoana lehibe no nakan’ny rahalahin’i Jareda vato 16 tany an-tampon-tendrombohitra iray ary nivavaka. Nangataka ny Tompo izy hikasika ireo vato “mba hahazoany mamirapiratra ao anatin’ny haizina” (Etera 3:4). Dia naninjitra ny tanany ny Tompo avy eo ary nikasika tamin’ny rantsan-tanany ny vato tsirairay, ka nampahazava izany. Nandritra ny fiainako dia naka sary an-tsaina ny Tompo nikasika ireo vato ireo aho.

Tahaka ny nanomezana fahazavana ny rahalahin’i Jareda mihitsy no hitondran’i Jesoa Kristy Tompo fahazavana ho anao. Izy no “fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.” (3 Nefia 11:11). Manasa anao aho mba hikatsaka ny fahazavana! Ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna dia hampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy ary hanampy anao hifandray hatrany amin’ny fahazavany.

Mpitari-dalana sy fahazavana

Namaky ny Bokin’i Môrmôna aho ary nahatsapa fijoroana ho vavolombelona im-betsaka fa marina izany. Tsy mbola nisalasala ny amin’izany mihitsy aho. Rehefa tsy mahatsapa ny Fanahy aho, rehefa toa banga ny fiainam-panahiko, dia mahatsapa ho toy ny ao anaty haizina aho. Fa rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho, dia miverina ilay fahazavana. Indraindray dia mamaky andininy iray fotsiny aho dia efa mahatsapa ny fahazavana indray, kanefa mahatsapa fahazavana foana aho rehefa mamaky izany.

Tena misy amiko ny fahazavana mandresy ny haizina. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro.”1 Izany no mitranga satria mampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Mitondra fahazavana sy hery izany. Hitarika anao ao anatin’ireo fotoana feno olana sy mampientam-po miandry anao ny fampianarana entiny.

Mahatsapa ny fahazavana

Fahasoavana ho ahy ny manompo eo anilan’ny Filoha Nelson. Rehefa miditra ao anatin’ny efitrano iray ny mpaminany dia tsapa ho mahafinaritra avy hatrany ny ao anatin’ilay efitra. Mitondra ny Fahazavan’i Kristy miaraka aminy izy.

Indraindray dia sarotra ny mahazo antoka fa mahatsapa ny Fahazavan’i Kristy ianao. Tsy hitanao amin’ny masonao izany. Mitranga toy ny fahatsapana ara-panahy izany. Ny fahatsapana ny mety sy ny tsy mety sy ny marina sy ny diso izany (jereo ny Môrônia 7:13–19).

Isak’izay misafidy ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy ianao dia mandeha ao amin’ny Fahazavan’i Kristy. Mampatanjaka izany Fahazavana izany ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna.

“Mazava ho azy fa marina ilay izy!”

Mino marina tokoa aho fa rehefa miteny ny soratra masina hoe “Tsarovy, tsarovy” (Helamàna 5:12), dia manambara izany fa tsy vitan’ny hoe tokony hahatsiaro an’i Jesoa Kristy fotsiny isika na hahatsiaro fa efa nahatsapa ny Fahazavany isika indray mandeha. Tsy maintsy mahatsapa ny Fahazavany isika izao ary mahatsapa izany foana. Izany no lasa fantatry ny zatovolahy iray antsoina hoe Eric rehefa namaky voalohany ny Bokin’i Môrmôna izy.

Rehefa avy nifindra tany amina toerana vaovao sy nanomboka nianatra tany amin’ny lisea, dia sahirana tao amin’ireo kilasiny i Eric ary nahita fa sarotra ny nanana ny toerany tao. Nanomboka nanontany tena koa izy raha toa ka nanana fijoroana ho vavolombelona.

“Izay no fotoana voalohany teo amin’ny fiainako nanombohako namaky tamim-pahamatorana ny Bokin’i Môrmôna,” hoy i Eric. “Namaky sy nivavaka isan’andro aho.”

Rehefa nivavaka i Eric ary nanontany an’ Andriamanitra raha marina ny Bokin’i Môrmôna, dia azony antoka fa hahazo valiny izy, saingy tsy nisy na inona na inona nitranga.

Fotoana vitsy taorian’izay, raha iny izy nandeha tao anaty ala tao ambadiky ny tranony iny, dia mbola nanontany indray i Eric. Tamin’io fotoana io dia nanana fahatsapana izy, toy ny hoe nanontany azy ny Ray any An-danitra hoe: “Eric a! Inona no nitranga teo amin’ny fiainanao hatramin’ny nanombohanao namaky ny Bokin’i Môrmôna sy nivavaka isan’andro?”

Nieritreritra ny fomba nahazoany namana tsara sy ny fihatsaran’ny fiainany tao an-tsekoly izy. Tsy fantany akory fa nitondra fahazavana sy hery teo amin’ny fiainany ny Bokin’i Môrmôna.

Dia nitranga ilay izy.

“Tsy nahare feo aho,” hoy i Eric, “kanefa nameno ny foko ny Fanahy rehefa tonga tato an-tsaiko ireto teny ireto: -Mazava ho azy fa marina ilay izy!- Nanenika ahy ny fahatsapana fiadanana sy fifaliana ary fatokian-tena mahery vaika. Fantatro fa azoko ihany nony farany ny valinteny notadiaviko.”2

Mandroso ao anatin’ny Fahazavana

Ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona, manomboka any amin’ny pejy voalohany ka hatramin’ny farany ao anatin’izany, fa “i Jesoa no Kristy”3 ary izany dia mampianatra antsika “ny zavatra tsy maintsy atao[ntsika] hahazoana fiadanana eo amin’ity fiainana ity sy famonjena mandrakizay amin’ny fiainan-ko avy.”4

Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia manantena aho fa ho tsapanao fa nosoratana ho anao izany. Ireo fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo ohatra feno herim-po nasehon’i Nefia, Lehia sy Sarià, Abinadia, Almà, Amioleka, Abisa, ireo zanakalahin’i Môzià, ary ireo maro hafa dia hankahery, hitarika, ary hampatanjaka anao ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa ary hitarika anao handeha amim-patokian-tena ao anatin’ny Fahazavany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona sarobidy sy azo antoka fa velona i Jesoa Kristy ary loharanon’ny fiononana, ny fanantenana, ny fiadanana, ny fifaliana, ary ny fahazavana. Mivavaka amin’ny foko manontolo aho fa hikatsaka ilay fahazavana izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianao, hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa ny hafanana avy amin’ny Fahazavany sy ny fitiavany mihoatra noho izay efa tsapanao tany aloha.

Sary
ankizivavy mihazona fandraisana an-tsoratra sy pensilihazo goavana

Hamoaka printy