“Mpianatr’i Kristy,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.
Hiran’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2024
Mpianatr’i Kristy
Raha ho tong(a) ireo rivo-mitatao
dia hibanjina Ilay Mazava aho.
Izy no Andrian’ny Fiadanana.
Mamelombelona ny fanahiko Izy.
‘Zaho hiasa ho Azy, hazoto,
hitory eran-tany
‘Zaho dia mpianatr’i Kristy.
Tsy handao Azy aho
f‘Izy no fiainako ety,
mankahery ahy raha lavo aho.
Koa hazav(a) aho mba ho hitan’ny hafa
hoe Kristy no fahazavana.
‘Zaho dia mpianatr’i Kristy.
Am(i)n’ireo safidy marobe,
ny manompo Azy no mety re!
Izy no mampiaina, ary koa mpanazava.
Hanambar(a) aho, tsy halaina, hiasa ho Azy.
‘Zaho dia mpianatr’i Kristy.
ka tsy handao Azy aho
f‘Izy no fiainako ety,
mankahery ahy raha lavo aho.
Koa hazav(a) aho mba ho hitan’ny hafa
hoe Kristy no fahazavana.
‘Zaho dia mpianatr’i Kristy.
Mpianatr’i Kristy
Mpianatr’i Kristy
‘Zaho dia mpianatr’i Kristy.
Tsy handao Azy aho
f‘Izy no fiainako ety,
mankahery ahy raha lavo aho.
Koa hazav(a) aho mba ho hitan’ny hafa
hoe Kristy no fahazavana.
Ô! ‘Zaho dia mpianatr’i Kristy
Mpianatr’i Kristy
Mpianatr’i Kristy