Ho zatovo mahery!
Iza no nahita ireo takela-bolamena ankoatra an’i Joseph Smith?
Janoary 2024


“Iza no nahita ireo takela-bolamena ankoatra an’i Joseph Smith?,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.

Valiny fohy sy mivantana

Iza no nahita ireo takela-bolamena ankoatra an’i Joseph Smith?

Sary
Nahita ireo takela-bolamena i Mary Whitmer

Sary nataon’i Steve Nethercott

Ankoatra an’i Joseph Smith dia nahita ireo takela-bolamena ireto olona 12 ireto:

Ireo vavolombelona telo: I Oliver Cowdery, David Whitmer, ary i Martin Harris. Ny anjely Môrônia dia nampiseho azy ireo ireo takelaka, nijoro ho vavolombelona momba izany, ary nandidy ireo lehilahy telo ireo mba hijoro ho vavolombelona momba izany.1

Ireo vavolombelona valo: Christian Whitmer, Jacob Whitmer, Peter Whitmer Jr., John Whitmer, Hiram Page, Joseph Smith Sr., Hyrum Smith, ary i Samuel H. Smith. Nasehon’i i Joseph Smith azy ireo ireo takelaka ary navelany nohazonin’izy ireo.2

Mary Whitmer: Nasehon’ny anjely Môrônia azy ireo takelaka ary nampahery azy izy noho ny enta-mavesatra tsy maintsy nentiny tamin’ny fikarakarana zanaka valo sy vahiny telo nandritra ny fotoana nandikana ny Bokin’i Môrmôna tao an-tranony.3

Nahita ny zoron’ireo takelaka i Josiah Stowell. Ary farafahakeliny dia nisy olona efatra hafa nibata ireo takela-bolamena raha mbola tao anaty fitoerany na nifono ireo takelaka: i Lucy Mack Smith, Emma Smith, William Smith, ary i Katharine Smith.4

Tsy nisy nandà na oviana na oviana ny zavatra hitany sy niainany ireo olona 17 ireo.

Hamoaka printy