Ho zatovo mahery!
Mpianatra mampita amin’ny mpianatra
Janoary 2024


“Mpianatra mampita amin’ny mpianatra,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.

Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2024

Mpianatra mampita amin’ny mpianatra

Ahoana no ahafahanao ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy? Tsotra kokoa noho izay heverinao izany. Jereo ireto ohatra zarain’ny zatovo momba ireo mpianatra eo amin’ny fiainan’izy ireo ireto.

Sary
zatovolahy

Kyler C., 13 taona

Avy any Guayas, Équateur. Tia milalao baolina basikety sy mitendry lokanga.

Ny roa amin’ireo namako ao am-piangonana, i Arick sy i Mike, dia nampianatra ahy ny maha zava-dehibe ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy. Nanampy ahy hanana faniriana bebe kokoa hanao asa fitoriana ny ohatra nasehon’izy ireo. Amin’izao aho dia faly tokoa mizara zavatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ireo olona sahirana.

Ohatra tsara maneho an’i Kristy ihany koa ireo namako amin’ny fomba firesak’izy ireo. Nizara zavatra niainana maro tamiko izy ireo mikasika ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy, izay namporisika ahy hanakaiky Azy. Ohatra hoe nampianatra ahy ny namako fa rehefa manana fanontaniana isika dia afaka manontany an’ Andriamanitra. Ary ahoana no ahafantarantsika fa efa namaly Izy? Ho fantatsika ao am-pontsika izany. Izay ilay Fanahy milaza fa miresaka amintsika Andriamanitra ary misafidy ny lalana marina isika. 

Sary
zatovovavy sy zatovolahy

Ayotunde Raphael A., 15 taona

Avy any Oyo, Nigeria Tia mandihy, manao fanatanjahan-tena, ary mampianatra miaraka amin’ny misiônera.

I Ewa (fanafohezana ny hoe Ewaoluwa) namako dia ohatra ho ahy amin’ny maha mpianatr’i Kristy. Nanafintohina ahy izy indray mandeha, ary tezitra taminy aho. Dia nangataka famelana avy amiko izy avy eo. Tao anatin’izany dingana izany no nianarako fanetrentena sy famelan-keloka avy aminy. Feno fanetrentena tokoa izy rehefa niala tsiny, ary dia namela azy aho.

Ho ahy, ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia ny mitandrina ny didin’ny Ray any An-danitra, ny mitia an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany, ary ny miraharaha kokoa ny hafa.

Sary
zatovolahy

Gabriel A., 12 taona

Avy any Oyo, Nigeria Tia milalao baolina kitra.

Mahafantatra zazalahy iray tao am-piangonana aho izay tia mampijaly olona teo aloha, saingy indray andro dia niova tampoka izy. Nanapa-kevitra ny hanontany azy aho hoe: “Fa naninona ianao no niova.” Nolazainy tamiko fa nivavaka izy, namaky ny soratra masiny, nanam-pinoana, ary niasa mafy mba hanova ny fitondran-tenany. Nanampy ahy izany satria rehefa te handray fanapahan-kevitra aho amin’izao fotoana izao, na mahakasika ny fianarana any am-pianarana na ara-panahy, dia mivavaka matetika aho mba hitarihan’ Andriamanitra ahy.

Mety tsy tonga lafatra ilay namako, kanefa nahakasika ny foko ny fitondran-tenany. Amin’izao fotoana izao aho dia mamaky matetika ny soratra masina alohan’ny fanaovako dingana eo amin’ny fiainako. Nitondra ahy hanakaiky kokoa an’i Kristy ny ohatra nasehon’ny namako satria isaky ny manota aho dia miverina manatona ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fibebahana. Nanampy ahy hametraka ny enta-mavesatro ny fanatonana ny Tompo.

Hamoaka printy