“Ny Fahazavany eo am-pelatananao,” Ho zatovo mahery! Jan. 2024.
Horonan-tsary ho an’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2024
Ny Fahazavany eo am-pelatananao
Roa arivo taona lasa izay dia olona an’arivony no nahare mikasika an’i Jesoa Kristy ary nisafidy ny hanara-dia Azy. Ankehitriny dia manara-dia Azy koa ianao. Manana ny fahazavany mba hozaraina ianao. Mpianany ianao.
Ny hoe mpianatr’i Kristy dia mety manana heviny maro. Jereo ny horonan-tsary ho an’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ity taona ity dia eritrereto ny dikan’izany hoe mpianany izany ho anao.
Mihazona ny fahazavany eo am-pelatananao ianao. Ahoana no hampiasanao izany fahazavana izany?